Politique

Pastera Mailhol “Kisary mankany amin’ny fanonganana ny mpitondra io”


  • Alarobia 17 Novambra 2021

Niteraka resabe teto amintsika tato ho ato ny resaka fampihavanana eo amin’ny samy mpanao politika. Ireo nijoro ho mpifahavalo teo aloha lasa nihavana sy nifandray tanana toy ny vondron’ny Panorama sy ny ekipan’ny filoha teo

 aloha Ravalomanana. Naneho ny heviny mikasika izany pastera Mailhol, filoha mpanorina ny fiangonana Apokalipsy eto Madagasikara omaly ka nambarany fa lojikan’ny fanaovana politika eto Madagasikara izany ary tsy tokony hatao hahagaga. Hatramin’izay hoy izy dia efa nisy foana izany. Ohatra maromaro no noraisiny izay notsindriany fa sary miverina ankehitriny avokoa. Anisan’ireny ny fitambaran’ny filoha teo aloha Ravalomanana sy ny ekipany ary ny ekipan’ny filoha teo aloha Zafy Albert izay nahafahana nanongana ny Fitondrana Ratsiraka. Nitambatra indray ekipan’ny filoha teo aloha Ratsiraka sy ny ekipan’ny filoha teo aloha Zafy Albert ary ny an’i Andry Rajoelina hoy izy taorian’izany nahafahana nanongana ny Fitondrana Ravalomanana tamin’izany… Nitambatra ihany koa tamin’ny taona 2018 ny hetsiky ny solombavambahoaka 73 izay nahitana ny avy amin’ny TIM sy ny TGV izay nanohitra ny Fitondrana HVM tamin’izany. Amin’izao fotoana dia indreo mitambatra indray ireo hery manohitra ny Fitondrana ankehitriny toy ny TIM sy ny HVM ary ireo antoko tsy mankasitraka ny Fitondrana Rajoelina. Tanjon’izy ireo, ny fionganan’ny Fitondrana misy ankehitriny ka handraisan’izy ireo fahefana indray aorian’izay rah any fahitan’ny pastera Mailhol azy. Dia toy izay hatrany ny kisary politika misy eto . Tsy maintsy hifandona ireo hery mpanohitra sy ny avy amin’ny Fitondram-panjakana noho ny tsy fisian’ny marimaritra iraisana. Ny mpitondra mantsy etsy an-kilany manesika hatrany fa tokony miandry fifidianana ny mpanohitra raha te handray Fitondrana. Ny mpanohitra ihany koa eo an-kilany tsy manaiky noho ny fisian’ireo zavatra marobe tsy mandeha amin’ny laoniny. Isan’ny fangatahan’ny mpanohitra ohatra ny handravana ny HCC sy ny CENI ka hisian’ny marimaritra iraisana sy ny hanitsiana mazava ireo andrim-panjakana roa ireo vao miroso amin’ny fifidianana, hevitra izay tsipahin’ny mpitondra hatramin’ny farany. Noho ny tsy fisian’ny mpanelanelana tena mijoro marina hampifandray ireo hery roa mifanohitra eto amin’ny firenena ireo ka mahatonga ny firenena mikatso na ara-politika na ara-tsosialy dia mihevitra ny pastera Mailhol fa handray an-tanana ny fampihavanana rehefa tsy hanao ireo raiamandreny be sy ireo rafitra mijoro ara-panjakana tokony hanatanteraka izany fampihavanana izany. Araka ny voalazan’ny soratra masina mantsy hoy izy dia sambatra ny mpampihavana fa izy no hatao hoe: zanak’Andriamanitra.
Pati
Legende : Pastera Mailhol, filoha mpanorina ny antoko politika Gideona Fandresena Fahantrana eto Madagasikara
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT