Mba hahazoana malagasy vaovao dia tokony hiova ho vaovao ny olomboafidy, hoy ny pasitera misotro ronono, Rakotondrainy.
Tsy ny anaran’ilay olom-boafidy akory no vaovao fa ny maha izy azy ilay olona mihitsy. Raha ny toetsaina taloha ihany no miverina, izany hoe, ilay fitadiavana ny tombontsoa ho an’ny tena dia tsy vaovao izany. Deraiko manokana, hoy izy, ny TIM K25 amin’izao fihetsika vaovao tena mahasoa ny malagasy izao ary tairina ny malagasy rehetra hanotrona izany fihetsika izany hamonjena ny firenentsika.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.