Politique

Parlemanteran’ny Ankolafy Ravalomanana Mitaky ny hamoahana tsy misy fepetra ireo gadra politika


  • Alakamisy 09 Desambra 2010

Nanao fanambarana ny Vondrona Parlemantera mivondrona ao anatin’ny Ankolafy Ravalomanana nandritra ny hetsiky ny Ankolafy Telo teo amin’ny kianjan’Alarobia ny alarobia 08 desambra ka tamin’izay no nanambaran’izy ireo ampahibemaso ho toy ny tsy misy ny fitsapan-kevi-bahoaka izay efa nolaviny hatramin’ny voalohany.

Koa «tsy mbola fotoanan’ny firosoana amin’ny Repoblika fahefatra izao satria tsy mbola misy fitoniana politika», hoy izy ireo. Ankoatra izay dia mitaky ny hamoahana tsy misy fepetra ireo gadra politika rehetra izay notanana tsy fidiny noho ny fijoroany ho an’ny tanindrazana koa ity Vondrona Parlemantera ity, izay nijoro vavolombelona omaly fa ny Lehiben’ny delegasion’ny Ankolafy Ravalomanana, Fetison Rakoto Andrianirina sy ny filohan’ny Vondrona Parlemantera TIM, Zafilahy Stanislas, raha tonga teny amin’ny kianjan’ny Malacam ny alarobia 10 novambra dia tsy tonga hanakorontana na hitarika velively ny olona hanimba fananan’olona fa tonga tamin-kitsim-po handamina sy hitady vahaolana miaraka amin’ny mpitandro filaminana mba hialana amin’ny korontana.

Nanamafy koa ireto Vondrona Parlemantera ireto fa nandritra ny 22 volana nitakiana ny fiverenana amin’ny ara-dalàna dia tao anatin’ny fahadiovam-po tanteraka no nanatanterahan’izy ireo ny andraikitra nomena azy ary tsy niroa fo nitady izay hevitra rehetra entina amoahana an’i Madagasikara anatin’izao krizy izao, ary tamim-pilaminana sy fitiavana hatrany no niezahan’izy ireo hanatanterahana izany. Koa ‘tsy vahaolana hoy izy ireo ny fitazomana an’i Fetison Rakoto Andrianirina sy Zafilahy Stanislas ary Pastera Esouard Tsarahame any am-ponja satria izy ireo dia hitarika amin’ny fametrahana ny tetezamita tena izy, koa eo anivon’ny vahoaka hifanampy amin’ny fitadiavana vahaolana no anjara toerana mendrika azy ireo fa tsy any am-ponja velively. 

Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT