Politique

Parlemantera TIM “Tsy mety intsony ny fitantanan’i Andry Rajoelina”


  • Talata 12 Jolay 2022

Efa fiantraikan-javatra maro ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny, hoy ny avy eo anivon’ny parlemantera Tiako I Madagasikara. T

any am-boalohan’ny fotoana nitantanan’andriamatoa Andry Rajoelina, hoy ny filohan’izy ireo, Fetra Ralambozafimbololona, satria misy zavatra mifandray be dia be ny resaka toekarena. Misy ny resaka orinasa, ny fananganana orinasa, ny famantsiana mivantana avy any ivelany na IDE ireny dia nafahana namorona asa. Nisy ny mpampiasa vola tonga teto amintsika dia nisy izany ny mety ho fitombon’ny vokatra sy ny famoronana asa na ho an’ny tanora na ho an’ny daholobe. Tokony nampiakatra ny toekarena izany rehetra izany. Tsy nisy izany rehetra izany fa zara raha nisy mpampiasa vola anankiroa tonga teto hatramin’ny nahatongavan’andriamatoa Andry Rajoelina teo amin’ny fitondrana. Tonga tampoka ny adin’i Okrainina sy ny tsy ampoizina Covid 19. Tsy ahilika amina zavatra toy ireny fotsiny ny fitantanana. Tany aloha tany no efa tokony notsinjaraina, noeritreretina izay hoe fiantsoana mpampiasa vola fa tsy hoe androany aho no hanangana orinasa iray isaky ny distrika iray am-bava fotsiny. Anatin’ny olana daholo izany ary iray ao anatin’ny nampanantenain’ingahirainy izay. Tsy nisy mihitsy ilay hoe “ny fitantanana dia fijerena lavitra izay” toy ny hoe fifampiresahana sy fiantsoana mpampiasa vola sy ny fitantanana mangarahara. Raha nangarahara ny fitantanana ny vola tamin’ny Covid 19 dia tsy nanao ireny tatitra ireny ny sampana mpanara-maso na “cour des comptes” hoe ny 80% tsy misy mazava hoe nankaiza no nalehan’ilay vola? Niakatra 40% izany izao ny vidin-tsolika. Mody nakarina kely 5, 13, 25% ny karama nefa efa 2 taona izay tsy nisy fiakarana. Fanomanana ny saim-bahoaka ve ny filazana hoe mety hiakatra 9000 Ariary io fa jereonareo fa mahay ny fitondrana matoa ilay izy 4900 Ariary sy 5900 Ariary sisa izao taorian’ny fifampiresahana no vidiny alohan’ny mpanjifa. Tsy fahaiza-mitantana izany ary efa tsy mety intsony mihitsy ny fitantanan’andriamatoa Andry Rajoelina ary eo no mahatonga anay miteny hoe ataovy ilay fikaonan-doham-pirenena, hoy hatrany ny parlemantera TIM.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT