Politique

Parlemantera TIM Raharinaivo Tsy manambitamby n’iza n’iza


  • Alarobia 19 Janoary 2011


«Ninia tsy niteny sy tsy namaly ny resaka fandotoana an’Atoa Raharinaivo Andrianatoandro sy ireo mpiara-dia aminy ataon’ny ankolafy Ravalomanana izahay hatramin’izay», hoy i Ipirina Jean de La Croix, filohan’ny fikambanan’ny parlemantera TIM eo anivon’ny CST, «nefa tafahoatra loatra izany ka tsy maintsy mba valiana ihany». «Tsy misy fanambatambazana ny fanatanterahana ny raharaham-pirenena», hoy izy, «indrindra manoloana izao krizy misy eto amin’ny firenena izao. Na hiditra ao amin’ny tetezamita ary hanao izay asa sy adidy rehetra miandry, na tsy hiditra dia mijanona ho mpanohitra».

Nambaran’ity mpikambana ao amin’ny CST ity fa hotanterahana atsy ho atsy eny anivon’ireo parlemanta roa tonta ny fandinihana sy ny fandaniana ny lalàna mikasika ny antoko politika sy ny mpanohitra. Miova tokoa hatramin’ny fomba fiteny sy fisainana rehefa nivadika any an-kafa ka nanamafy izany hevitra izany ny mpikambana ao amin’ny birao politikan’ny TIM, sady filohan’ny RegTIM Menabe teo aloha, ny CST Ngolo Gilbert, ary nilaza am-peo avo fa «ireo ao amin’ny ankolafy Ravalomanana hatrany no tena fototra mampikatso ny fifanarahana hatramin’izay. Milaza izy ireo fa vonona ny hifampiresaka, kanefa mametraka fepetra hatrany».

Niaiky kosa anefa ity mpanao politika ity fa «tanjona ny hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena hahafahana miatrika ny fidirana amin’ny repoblika fahefatra, ka na iza na iza te hiara-hanatontosa izany, dia mahazo miditra sy mandray anjara avokoa, saingy tsy misy ny fanambatambazana. Ny hamahana any olana mianjady amin’ny vahoaka Malagasy mantsy no mahamaika», hoy izy, «ka anisan’izany ny fiezahana hampitony sy hampitsahatra ny adilahy politika sy ny tsy hitaran’ny krizy amin’ny sehatra hafa koa».

 
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT