Politique

Parlemantera Frankofonina Nikatro-doha tamin’ny Banky Iraisam-pirenena


  • Zoma 08 Mey 2020

Nivory tamin’ny alalan’ny fomba fifandraisan-dafitra ny Parlemantera Frankofonina,

 

 

ka ny Loholona Pierrot Rajaonarivelo Filohan’ny Vaomiera Fifandraisana iraisam-pirenena no nisolo tena ny antenimierandoholona Malagasy. Fivoriana nokarakarain’ny vondron’ny Banky Iraisam-pirenena (GBM) izay miara-miasa amin'ny parlemantera, mba hijerena miaraka ireo fepetra izay tokony ho raisin’ny parlemantera ho fanatsarana ny vokatra aterik’io valanaretina Covid-19 io amin’ireo firenena marefo sy misedra olana. Nifantoka tamin’ireo paikady hamoronan’asa ho an’ny vondrom-bahoakam-paritra ; ny ho fisian’ny fitomboan’ny famatsiam-bola ho an'ny fotodrafitr’asa fototra ; ny fomba fanatanterahana ireo fifampiraharahana, amin’ny maha mpikambana ao amin’ny GBM, ny fananganana ireo rafitra fitantanana famatsiam-bola mifandraika amin’ny filàna firenena iray,… ny fanontaniana napetraka. Noresahana ihany koa ny mety ho anjara asan'ny fiarahamonim-pirenena iadiana amin'ny FCV (fragilité, conflit, violence) amin’ity Covid-19 ity, ny anjara andraikitry ny Parlemantera amin’ny fanaraha-maso ireo famatsiam-bola ataon’ny GBM mba isian’ny fahombiazana,…

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT