Niroso amin’ny fivoriana ara-potoana ny Antenimierandoholona nanomboka
omaly 17 novambra, raha efa ny 20 oktobra ny fotoana voafaritry ny lalàmpanorenana hanombohan’ny fivoriana ara-potoana faharoa maharitra 60 andro. Tsy araka ny fanatsatsoan’ny sasany hoe manao gevy isika fa ny zava-misy no nahatonga izany, hoy ny Filohan’io Andrim-panjakana io Atoa Rivo Rakotovao teo am-panombohana. Ankoatra ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (LFI 2012), dia misy ireo vary mangatsiaka, izay nosafidiana mihitsy ny handinihana azy amin’ity fivoriana ara-potoana ity, toy ny Lalàna momba ny fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC, ny toaka gasy, ny lalàna mikasika ny fananan-tany izay mbola tsy tonga, lalàna mifehy ny fanoherana,…. Ny olantsika dia ny tetibola hoenti-miasa, misy ny eto Antananarivo misafidy ny tsy hivory fa azy manokana izay, hoy I Rivo Rakotovao. Nambarany fa tsy maintsy hodinihina ny LFI satria rehefa tsy mandinika dia ohatry ny manaiky fotsiny raha tsy manao izany kanefa mety hanaiky isika na mety tsy hanaiky izy ireo. Tsy araka ny tenin’ny Filohan’ny, Ohatry ny baikobaikoan’ny Filohan’ny HCC isika miasà ianareo fa izahay ihany koa tsy nanam-bola fa niasa ka resaka hafa iny, hoy I Rivo Rakotovao! Hay ilay izy mbola tsy tonga akory, hoy izy, mahakasika ny LFI . Mbola “saisine” no nalefa teny amin’ny antenimiera, kanefa efa tokony ny 01 novambra. Manana iray volana mahery kely eo ny Antenimierandoholona handinihana ireo tolo-dalàna sy volavolan-dalàna eo am-pelantanany. Betsaka ny ao anatiny toy ny tolo-dalàna hananganana “commission d’enquête” natolotry ny kaomisionina momba ny lalàna izay tsy hoe hampikorapaka momba ny hanenjehana, fa rehefa misokatra izao tontolo izao, dia ny olona 24ora aorian’ny tokony hanarahan’ny parlemantera ny asan’ny mpanatanteraka dia misokatra ny ankety, hoy ny nambaran’i Rivo Rakotovao. Azo eritreretina fa ho voafaoka ao anatin’io ireo raharaha mafampana mety mahasaringotra olona ambony sy manam-pahefana io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.