Politique

Paraina Auguste Tsy tokony ho kandida intsony Rajoelina


  • Alarobia 13 Aprily 2022

Nahitsy ary tsy nisalasala ny ambasadaoron i Madagasikara teo aloha Atoa Paraina Auguste nilaza fa fandemen tsaina ankitsirano izany

Tsy mitombina izany, izay ny vatony 2018 dia hiverina ve izy dia mbola izany ihany koa. Tsy tenenina fotsiny, fa tena hita io na aiza na aiza ny zava-misy, tsy hahazo vato eto Antananarivo, ary tsy hahazo any amin’ny faritra. Fanomanana ara-tsaina hoe: izahay mandresy”, hoy Atoa Paraina Auguste. Mampijabaka ny Filoham-pirenena. "Mamitaka ny filoha Andry Rajoelina izay mamporisika azy mbola hirotsaka. Tsy mitombina izany 53% mbola hifidy azy izany raha ny zava-misy amin'izao. Raha izaho izy tsy mirotsaka hofidiana intsony", hoy hatrany ity diplaomaty ary efa minisitra teo aloha ity. Tsy tokony hirotsaka hofidiana intsony i Andry Rajoelina amin’ny fifidianana manaraka noho ny tsy fahombiazany, ary raha mirotsaka dia tsy ho lany, raha halalinina ity fanehoan-kevitra ity. Momba ny fifidianana kosa, notsipihin’Atoa Paraina Auguste fa tsy mitombina ny isan’ny olona voasoratra ao anaty lisitra mitaha amin’ny isan’ny vahoaka Malagasy. Lojika ve hoe 27 tapitrisa dia 10 tapitrisa fotsiny mpifidy. 4 tapitrisa eo tsy tafiditra. Misy tetiikasa PRODIGY (Projet d’Appui à la Gouvernance digitale et aux réformes de l’état civil et des Identifiants) avy amin’ny banky iraisam-pirenena. Misy olona tsy manana karapanondrom-pirenena, izay tokony hamoraina ao anatin’io tetikasa io. Marihina, fa findramam-bola entina manatanteraka ny « digitalisation » na ny fampidirana ny olom-pirenena tsirairay anaty « base de données » mikasika ny sata sivily io, ary misy findramam-bola hatrany amin’ny 140 000 000 dolara. Izany dia ho ampiasaina amin’ny fikirakirana ny kopia, kara-panondro, fisotroan-dronono, fifidianana.
Toky R
 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT