Tsy lany ho solombavambahoakan’i Madagasikara hitondra ny tenin’Antsiranana voalohany i Papa Soulé, kandida natolotry ny Zanak’Avaratra. Efa lany tamin’ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny CENI-T anefa ity kandidan’ny Les AS ity.
Araka ny fanazavana nentin’ny filohan’ny «Les Autres Sensibilités» Voninahitsy Jean Eugène dia noho ny antony ara-ketra no nanilihana an’i Papa Soulé tsy ho kandida raha ny fitarainana tonga teny amin’ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana. Tokony ho mpandoa hetra ao amin’ny fari-pifidianana nirotsahany izy. Efa niezaka nitondra ny porofo rehetra nilaina tamin’izany teny anivon’ny mpiraki-draharaha ara-potoana moa ny kandida saingy gaga ny Les AS rehefa nivoaka ny voka-pifidianana fa tsy lany ihany ny kandida notohanan’ny Zanak’Avaratra ity izay nitana ny laharana faharoa tao Antsiranana I. Tsy nihambahamba moa ny mpitarika ny Les AS nilaza mazava fa misy tsy mazava ny fomba fiasan’ireo mpikambana ao amin’ny CES. Nilaza anefa ireo mpikambana miara-dia amin’i Voninahitsy Jean Eugène fa manaiky izay vokatra navoakan’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana izay tsy azo ivalozana. Nanaitra ny mpiara-belona kosa anefa izy ireo ny amin’ny tsy fisian’ny mangarahara amin’ity rafitra manokana mitsara ny fifidianana eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ity. Manana solombavambahoaka iray lany ny Les AS ary depiote tsy miankina miisa efatra no mitovy firehan-kevitra aminy.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.