Politique

Paolo Raholinarivo “Mandalo ny fahefana ka lanjalanjao ihany izay atao e!”


  • Zoma 17 Jona 2022

Nanaitra ny fanehoan-kevitr’Atoa Paolo Raholinarivo tao amin’ny tambajotran-tserasera omaly momba ny haino aman-jerim-panjakana TVM sy RNM.

“Hay lasa fananan’ny tsy miankina (propriété privée) ny TVM sy ny RNM, rehefa olona tsy tian’ny tompony dia tsy mahazo miditra ao. Mandalo ange ny fahefana e, ka mba lanjalanjao ihany izay atao…”, hoy ity Filohan’ny Sendikan’ny Administratera sivily izay manana andraikitra ambony ao amin’ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandindon-doza ity omaly. Tsy fantatra mazava na ny tenany no voasivana tsy afaka hiteny sy hiseho ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana na olon-kafa, fa vao ny fiandohan’ny herinandro teo ny tenany no nanao fanambarana miezinezina amin’ny tsy tokony hitanilan’ny adminisitratera sivily manana andraikitra ambony amin’ny fanomezana fahazoan-dàlana hanao hetsika politika. Mety hifandraisany amin’ireny ve? Tsara ny manamarika fa ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina tarihin-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy no mpiahy mivantana ny TVM sy ny RNM. Baiko avy aminy ve izany ny fanaovana sivana? Tsara rahateo ny manamarika fa i Paolo Raholinarivo fa namana akaikin’i Mahery Lanto Manandafy izay sakay sy maso ary mpifanandrina mivantana amin-dRtoa Lalatiana Rakotondrafy. Mety misy ifandraisany ve ireo? Tsy vao izao no nisy ny sivana amin’ny fidirana ao amin’ny TVM sy RNM, indrindra fa ho an’ny mpanohitra. Na ny mpiara-dia amin’ny fitondrana aza anefa misy voasivana, toy ny depiote iray avy amin’ny IRD izay nisy fotoana voalaza fa tsy afa-niteny sy niseho tao. Maro no maneho na ireo mpiara-dia amin’ny fitondrana aza fa mitady ho lasa fananan’olon-tokana na antoko iray ny haino aman-jerim-panjakana, ary misy miketrika amin’ny kajikajy politika, ka na ny filoham-pirenena aza tokony hitandrina satria na ny volomboasary aza anjorom-bala kokoa noho ny an’ny antokon’ny minisitra.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT