“Aleo tsy hisy mihitsy ny akamakama ary aleo hihitatra ny fanagadrana” hoy ny Administratera sivily, Paolo Emilio Raholinarivo.
Ao ihany koa no tena lo fomba fiasa ary tsy mitsahatra manao koikoly hoy izy. Ny foloalindahy aza noezahina nodiovina vita ihany ka tokony hirosoana ihany koa ny eo anivon’ny fitsarana fa mijaly ny vahoaka madinika. Misy hoy izy ny migadragadra foana satria kely vola ary afa-bela amin’nyafera maloto hatrany ny mpanao kolikoly ao. Ankoatr’izay mila jerena ihany koa ireo mpiasam-panjakana ambony sasany tahaka ny tompon’andraikitra eny amin’ireny sekoly ambony mampiditra mpiasam-panjakana tahaka ny ENAM sy ENMG ireny eny hatramin’ny fanendrena ny Tale amin’ny voamiera manokana miady amin’ny kolikoly (ENMG) mba olona sahy mijoro tsy voababom-bola foana. Nanamafy hatrany moa ity Admnistratera sivily ity fa ilaina ny fiaraha-mientan’ny rehetra amin’izany tanjona ilàna ezaka izany fa tsy vitan’ny fitondrana fotsiny ny asa fampandrosoana.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.