Politique

Paikady fandaminana Miresaka amin’ny mpitarika sendika ny minisitra sasany


  • Alarobia 01 Septambra 2021

Noraisin'ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka tao amin'ny biraony ny solotenan'ny Biraon'ny SYNPA na "SYNdicat du Personnel Administratif" notarihan'ny Filohany omaly.

 Notanterahana tamin'izany dinidinika ny mikasika ny fandaminana amin'ny ankapobeny ny asa sy ny anjara birikin'ny tsirairay amin'ny fampandehanana ny Ministera, hoy ny fampitam-baovao. Tao anatin'izay dia nihaino ny fitarainan'ny SYNPA ny Ministry ny fahasalamana ka nisy teboka maromaro nodinihina tamin'izany. Zava-dehibe tao anatin'izay ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fampiofanana mifanandrify amin'ny andraikitry ny tsirairay ho fampandehanana ny asa tandrify azy avy, hoy ny eo anivon’io Ministera io. Isan’ny nampiavaka ity Ministera ity ny resaka fitakiana sendikaly, ny resaka ara-bola sy tambin-karama tsy nilamina. Mandeha izany ny karazana fifandaminana sy fifampihainoana taorian’ny fiovan’ny minisitra. Saika manao izany avokoa ny sasantsasany amin’ireo minisitra vaovao. Miezaka mamitram-pihavanana amin’ireo sendika sy mpiasa eo anivon’ny departemanta iantsorohany. Isan’ny nanao izany ny Minisitry ny toekarena sy ny vola, izay nitsikera mafy ny resaka fitantanam-bolam-panjakana, saingy tratry ny ampamoaka goavana, ka nisy ny fifanantonana sy fandaminan-dresaka taorian’izay. Lojika ihany koa anefa amin’ny lafiny iray ny fihaonana sy fifanomezana toromarika eo amin’ny mpitondra sy ny entina, na ny tompon’andraikitra ambony sy ny eo ambany fiadidiany rehefa .
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT