Politique

Paikady Enti-manandratra an'i Madagasikara Hanome 240 tapitrisa euros ny Frantsay


  • Zoma 21 Febroary 2020

Nambaran’Atoa Jean-Yves Le Drian, minisitry ny raharaham-bahiny Frantsay omaly nanoloana ny mpanao gazety fa mitohy ny fifampidinihana ny amin’ny famerenana ny « Iles Eparses » ho an’ny Malagasy.

 

Mitaky ady hevitra lalina izany ary ho tanterahina ao anatin'ny fifampatokisana, sy ny firahalahiana ary ny mangarahara hatrany, hoy izy.Tsy mbola misy kosa aloha hatreto ny fehin-kevitra tapaka na marnaritra iraisan amomba ireo nosy ireo.Fa tetsy ankilan’izay dia fifanaraham-piaraha-miasa roa eo amin’ny La Frantsa sy Madagasikara no natao sonia omaly teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Nambara ihany koa fa hanome 240 Tapitrisa Euros ny Governemanta frantsay ho fanohanana ny Paikady Enti-manandratra an'i Madagasikara (PEM). Ny antsasak'izany fanampiana izany dia fanomezana maimaim-poana, ary ny antsasany kosa dia hampindramina, ary ho raisin'ny Agence Française de Développement (AFD) an-tanana ny fanafainganana azy.Niompana tamin’ny sosialy indrindra fa ny fanabeazana ny resaka nifanaovana tamin’ny delegasiona notarihin’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny frantsay .Ny fifanaraham-piarahamiasa voalohany natao sonia dia mikasika ny fanampiana ara-bola mitentina 14,3 Tapitrisa Euros ho fanohanana ny Teti-pivoarana ho an'ny fanabeazana (PSE). Ny fifanaraham-piarahamiasa faharoa natao sonia kosa dia mikasika ny fifanarahana lasitra momba ny fiarahamiasa eo amin'ny sehatry ny fanabeazana hatrany, mandritra ny telo taona, eo amin'ny Minisitera roa tonta.

 RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT