Politique

Pagny Dinh-Van Ricky “Raha tsy nisy ny tetezamita, dia noforonina mihitsy”


  • Alatsinainy 01 Oktobra 2012

Nahatsapa ny mponin’i Toamasina fa nihetsika sy niasa mafy ny Tanora malaGasy Vonona Toamasina (TGV) tato ho ato. Betsaka ny hevitra nivoitra noho izany, ka nisy ny resaka nifanaovanay tamin’Atoa Pagny Dinh-Van Ricky, filohan’ny TGV Toamasina I no lefitra faharoan’ny filohan’ny delegasionina manokan’ny Kaominina.

 Tia Tanindrazana (TT) : Azonao tantaraina ve Atoa Pagny Dinh-Van Ricky ny tantara fijoroan’izay antoko TGV izany ho an’ny distrikan’i Toamasina I ?

Atoa Pagny Dinh-Van Ricky (Atoa Ricky) : Mijoro sy salama tsara ny TGV Toamasina na tsy nisy misy fivoriana anaty birao aza, satria tsy fitoanan’ny fivorivoriana intsony izao fa fanaovana ny asa mivantana ho an’ny vahoaka.

TT: Raha ny fahitan’ny olona anareo TGV anefa dia ny birao ihany no mijoro fa toa tsy misy mpikambana akory ?
Atoa Ricky : Fahitan’ny olona momba anay izany fa raha aminay dia misy ny mpikambana ary feno anay ny Fokontany 138 eto Toamasina renivohitra.

TT: Misy ny Gare-TGV, misy koa ny TGV iray ihany sa samy hafa ireo ?
Atoa Ricky : Iray ihany ny TGV. Raha ny tantara anefa dia ny Gare-TGV na “Groupement des Associations Régionales” no ray niteraka ny TGV amin’izao fotoana izao io. Tamin’ny taona 2007 dia tsy azonay natao ny nanangana ny tena TGV, voatery nanangana ny Gare-TGV izahay niaraka tamin’Atoa Mahavimbina Alain, noho izahay nikasa handrotsaka olona teo anivon’ny mpanolotsaina rezionaly tamin’izany. Ireo tsy naharaka ny tantara no mahita fa samy hafa ireo.

TT: Misehoseho be ianareo tato ho ato, manomana ny taom-pifidianana 2013 sahady ?
Atoa Ricky
: Tsia tsy ny taona 2013 ihany fa ny hoavin’ny antoko mihitsy koa. Hananan’ny TGV kandida avokoa ny fifidianana rehetra hitranga eo. Tsy noho ireo anefa ny anton’ny hetsika ataonay fa fanasoavam-bahoaka.

TT: Raha amin’ny vahoaka ankapobeny dia tsy mandeha ny fiainany, mahantra ny tokantranony, latsaka an-davaka ny firenena, aminareo TGV kosa ahoana ?
Atoa Ricky : Iarahantsika mahalala fa tsy nisy ny fanampiana avy any ivelany azontsika tao anatin’ny fitondrana tetezamita. Raha ny fahitanay azy anefa dia mandeha ihany satria voaloa hatrany ny karaman’ny mpiasam-panjakana, nandeha ihany koa ny fampandehanan-draharahan’ny ministera sy ny fampihodinana ny fandaniam-panjakana samy hafa. Ity tetezamita iainantsika ity, dia misy ny mahatsara azy sy ny maharatsy azy. Ny maharatsy azy dia ny fahasarotan’ny fametrahana ny andrim-panjakana samy hafa, ny mahatsara azy kosa dia raha tsy nisy izy dia mety tena noforonina mihitsy satria nilaina ny fanovana ny zava-nisy teto. Anisan’ny fanovana notakiana ny fanovana amin’ny fitantanana, fahalalahana amin’ny fandraharahana ary fahalalahana amin’ny fahafahana miteny sy maneho hevitra. Matoa natao ny tolona dia tsy ny fitohizan-draharaha no tanjona fa tena mila manova mihitsy, ka raha tsy hanova fa hanohy ny teo aloha, aleo tsy nisy.

TT: Mikasika ny fanamboaran-dalana sy fanatsarana ny tanànan’i Toamasina renivohitra, ahoana ny famatsiam-bola amin’izany sa tsiambaratelo ?
Atoa Ricky : Tsy misy tsiambaratelo izany fa mangarahara. Misy vola avy amin’ny seranantsambon’i Toamasina izay mitentina 12 arivo tapitrisa Ariary, misy koa ampahany amin’ilay vola 25 tapitrisa dolara avy amin’ny tetikasa Ambatovy. Marihana anefa fa entina hanatsarana ny tanàn-dehibe rehetra eto amintsika io vola faharoa io fa tsy ho an’i Toamasina irery satria i Madagasikara dia firenena iray fa tsy fanjakana federaly akory. I Toamasina anefa no hahazo ampahany betsaka kokoa, izay hatokana amin’ny fanatsarana ny lalana.

TT : In-droa nisolo ny PDS teto Toamasina, tao anaty ekipa hatrany ianao, amin’ny maha TGV ve sa noho ny inona marina ?
Atoa Ricky : Samy manana ny andikany azy aloha ny olona mikasika izany, fa amiko dia tsy misy ifandraisany maha-TGV ahy ilay izy. Mety ny tsy fahitan’ny fanjakana tetezamita ny heloka vitako angamba no mbola nametrahany ahy eto hatreto.

TT: Hilatsaka ho fidiana angaha Atoa Ricky no mihetsika be tato ho ato, raha hilatsaka dia inona marina ?
Atoa Ricky : Tsy mbola any aloha hatreto, ny antoko sy ny mpikambana ihany koa no manapaka izany fa aleo aloha miasa. Ny hevitry ny tena koa tsy voatery hifanaraka amin’ny hevitry ny antoko, ka izay voafidy eo no tohanana sy atao izay hahalany azy amin’ny tanjona napetraka.

Nangonin-dRakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT