Politique

Orinasan-dRavalo ao Toamasina Arodana tsy misy hantra izay sisa nijoro


  • Alakamisy 01 Oktobra 2020

Misy antsojay maromaro, ka sanatria miverina indray ny 2009? Hoy i Hanitra Razafimanantsoa omaly. Tato ho ato misy ny fitakiana vola amin’ny endrint samihafa, misy ny fanidiana orinasa,…

 

 

 

kanefa ny AAA tsy misy hidiran’ny tamin’ny 2009, ary ny Tiko efa tamin’izany no nikatona, fa mpandraharaha hafa ny AAA. Mbola mety hihoatra lavitra noho ilay 1461 miliara ariary mahery ny tombana, raha tohizana hatramin’ny 2020 ny kaonty noho ny famotehana mbola mandeha, mitentina amina miliaro maro be. Amin’izao fotoana izao dia haongana sy potehina tanteraka ny fananan’ny Tiko ao amin’ny seranantsambo, toy ny margarinerie, ny fanamboarana menaka,… ka ny fitaovan’ny orinasa Colas no ampiasaina amin’ny fandrodanana. Toy ireny nodarohana baomba ireny ny toerana, hoy ny Mpisolovava Hanitra Razafimanantsoa. Ny mahavariana dia ny Tale Jeneralin’ny seranantsambo tamin’izany no mbola mitana io andraikitra io, izay mahalala tsara ny tantara. Tsy vitan’ny nangalarina ny vary, lafarinina,… fa potehina izay tavela ao. Lavitra dia lavitra ny fampihavanana. Tompon’andraikitra ny ao amin’ny seranantsambo satria tsy maintsy hisy ny tombana, hoy ny avy amin’ny orinasa. Izay tsy potika tamin’ny fandrobana sy fandorana tamin’ny 2009 izany dia tohizana amin’izao 2020 izao?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT