Mitohy ny antsojay amin’ny orinasa Triple A, raha ny fampitam-baovao avy eo
anivon’ny mpikamban’ny antoko politika Tiako i Madagasikara. Tsy hananan’ny fanjakana trosa anefa io orinasa io ary nanaja ny fepetra rehetra amin’ny famenoana antotan-taratasy. Hita sy tsapa fa misy ny baiko midina azon’ireo tomponandraikitra samihafa eo anivon’ny fitantanana ny tetibola sy ny minisiteran’ny varotra. Misy ny tsy fanomezana ireo antotan-taratasy izay ahafahan’ity orinasa ity manatanteraka ny tena asany andavan’andro. Isany ny “certificat de consommabilité”, ny “carte d’identification fiscale” izay na dia feno aza ireo antotan-taratasy dia miainga indray ny hetraketraka eo anivon’ny fitondrana tsy ahafahan’ity orinasa ity mitondra ny vokatra Malagasy ho eny amin’ny mpanjifa Malagasy. Mbola hitondra fanazavana misimisy kokoa momba azy io moa ny tomponandraikitra tekinika eo anivon’ny orinasa, hoy ny solombavambahoakan’I Madagasikara, Alain Ratsimbazafy. Miankina amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha kosa no fepetra ho raisina, hoy hatrany ny fanazavana, satria ny fifanandrinana ara-politika no hita ho maha voatohitohina hatramin’ny lafiny ara-pihariana.
J. Mirija
Legende: Mbola tsy mifarana ny raharaha Triple A (Tahirin-tsary)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.