40 andro mahery izay no nanombohan’ny fanakatonana ny orinasa AAA niainga tetsy Behoririka ny 19 aogositra, nitohy tany Toamasina ny 27 aogositra, Andranomanelatra ny 01 septambra, ary tany Fianarantsoa ny 02 septambra.
Tsy re intsony ny akony hatramin’izao. Fanidiana 15 andro mba hanarahan’ny orinasa ny lalàna no atao, fa tsy fanidiana tanteraka, hoy ny Tale Jeneralin’ny Fitantanana ankapoben’ny Hetra Atoa Gérmain ny tapaky ny volana septambra teo. Nilaza ireo mpiara-miombon’antoka ao anatin’ny AAA ny 22 septambra, fa ara-dalàna tanteraka, ary tsy misy hidirany ny trosan’ny Tiko, fa fanofana no ataon’izy ireo. Efa narahana an-tsakany sy andavany ny fepetra nangatahan’ny fanjakana, ary efa tapitra ny 15 andro ka tokony havela hisokatra amin’izay ny orinasa, hoy ny andaniny. Hatretro, tsy misy fanapahan-kevitra mazava, ary tsy mbola nivaly ny fitorian’ny AAA tamin’ny 8 septambra mangataka ny hanaisorana ny fanidiana noho fahatsapan’izy ireo fanaparam-pahefana. Ny 24 septambra dia nilaza I Marc Ravalomanana, fa tsy misy hidirany intsony ny resaka AAA, ary tsy izy no lasibatra fa ireo olon-kafa maro be. Nanana an’ilay Tiko lazain’ny mpitondra fa ananany trosa aho, kanefa tao anatin’ny tondrozotra dia nisy fepetra nosoniavina niaraka tamin’ny SADC, ny firenena mikambana,…. fa haloa amiko avokoa ny fananako potika. Lazainareo fa ananareo 200 miliara ariary any ho any aho, avo efatra eny na 5 amin’izany ny nangalarinareo ka atao ny kaonty avy eo, hoy i Marc Ravalomanana. Toa arakaraka ny nilazany izany no toa vao mainka nampihenjana ny Fitondrana, izay ambaran’ny mpandinika fa manao hadisoana ara-politika sy ara-toekarena. Inona tokoa moa izany ny tena tombotsoa tovozina amin’io ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.