Aleo hazava fa tsy ny Magro no nakatona fa ny AAA Behoririka, hoy ny mpitantana ny orinasa taorian’ny fanakatonana nataon’ny Fitantanana ankapoben’ny hetra na ny DGI omaly.
Nisy fotoana tonga ny DGI, ka nanazava fa tonga tsy hanao fitsirihana ara-ketra akory fa tonga hanao “contrôle de régularité”, hoy ny mpitantana. Nampahatsiahy ny tenin’ny fanjakana fanjakana ny AAA fa tsy hanenjika sy tsy hanao tsindry ny orinasa Malagasy ny fanjakana, indrindra ny ara-ketra kanefa amin’izao dia io ny zava-misy. Marihina fa raha tonga ireo, dia efa naterina ny ampitson’iny ny antontan-taratasy izay nilainy. Ny 15 aogositra no fara-fandoavana ny IR (Impôt sur le Révenu) ary izahay ny alatsinainy no nandrotsaka izany ho an’ny taona 2019, hoy ny fanazavana. Ny dikan’izany raha ny momba ny karatra ara-ketra, raha misy manana efa voaloa any ho an’ny 2020 dia asehoy, hoy ny AAA. Izahay dia efa nandoha ny IR 2020 tamin’ny alatsinainy. Ny tao alohan’izay dia nandoa IR foana, ary ny TVA dia natao ara-dalàna izany, ary homena anareo ny porofo. Asaivo mitsangana ny orinasa mampiasa olona marobe toa itony, fa ny STAR aza io efa mampalahelo ny mahazo azy, dia hanaraka azy ihany koa ve izahay. Hidiana 15 andro izany ny orinasa, kanefa ny mpiasa sahirana. Mety tsy marary ny hafa izany fa marary anay, any an-dafy rehetra any vatsiana vola ny orinasa. Izahay mandoa hetra, ary ao anatin’ny fampanarahan-dalàna. Olon-dehibe no nifampiteny sy nifampiresaka nandritra ny fifampiresahana tamin’ny mpiasan’ny mpandraharahan’ny hetra, hoy ny AAA, izay naneho fa hamoaka ny porofo sy ny taratasy maha ara-dalàna azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.