Oniversite Antsiranana
Tsy sahy matory any amin’ny Cité ny zanak’Antananarivo
Hetraketraky ny sasany noho ny adilahy politika ireny, hoy i Ali, mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita. Olon’ny fihavanana izahay, ka mety ho fifanandrifian-javatra ireny, hoy izy. Nambarany fa tamin’ny famaranana ny zaikaben’ny tanora loterana tany Fandriana dia nisy tsipy teny nataona mpanolotsainan-dRajoelina nilaza ho tsy manao adim-poko kanefa dia ireny no zava-misy. Nanao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra eto amin’ny firenena, indrindra fa ny lehiben’ny faritra DIANA sy ny Ben’ny tanànan’Antsiranana izy mba hijery akaiky ity toe-draharaha ity.
Raha ny fanazavana dia tsy sahy matory any amin’ny “campus”-n’ny oniversite ireo mpianatra avy aty Antananarivo fa any amin’ny misiona katolika. Izay anontaniana, hoy i Ali dia samy tsy misy te handray andraikitra. Miantso ireo mpianatra moa ny tenany mba tsy hanaiky atao fitaovana fa iray ihany ny Malagasy ka tsy azo vakiana. Ankoatra izay dia niantso ireo tompon’andraikitra ihany koa i Ali hijery akaiky ny momba ireo tanora mahery setra ao Antsiranana na Foroches. Raha mbola kely ny fery, hoy izy dia azo sitranina tsy hitatra.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.