Hita hoe manana finiavana hanao zavatra ny filoha Andry Rajoelina ary tokony hahavita asa saingy misy teboka vitsivitsy tokony hotandremany, hoy Rtoa Onitiana Realy halina tao amin’ny fahitalavitra Real TV, izay izy moa no lehibeny.
Mila mahay maka lesona tamin’ny lasa ny filoham-pirenena ankehitriny ary tokony hitandrina amin’ireo mpiara-miasa aminy satria ny tena zava-doza indrindra ao anatin’ny fitondrana dia ny fisolelahana, hoy izy. Misy foana ireo olona misolelaka ka mety tsy manome ny vaovao tena marina sy mitombina ilay filoha ka mahatonga azy handray fanapahan-kevitra tsy araka ny tokony ho izy. Aza mamita-bahoaka ihany koa, ary mba manana etika, hoy izy satria mbola asa natomboky ny fitondrana HVM avokoa ireo tokanan’ny fitondrana amin’izao fotoana ireo fa tsy ao anatin’ny enim-bolana nitondrana mihitsy no hahavita fantsona 100 km mahery mizara rano any Atsimo. Aoka tsy hamita-bahoaka ihany koa ka nilaza indray fa ao anatin’ny IEM io fanitarana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato io satria efa misy mpomba ny fitondrana miteniteny izany indray mantsy, hoy izy. Hafa ny tamin’ny tetezamita fa amin’izao fotoana tena malalaka ny lalan’i Andry Rajoelina, hoy ity mpanao gazety ary efa minisitra teo aloha ity ka tokony hahavita zavatra izy saingy mila manova ny fomba tsy mety nataon’ny teo aloha kosa anefa tahaka ny hoe fanerena ny olona hanao akanjo amin’ny lokon’ilay antokon’ny mpitondra fanjakana. Efa filohan’ny Malagasy rehetra ianao izao Atoa Andry Rajoelina ka aza manao fihetsika kandida intsony, hoy izy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.