Politique

Olona te ho ambasadaoro Dosie 303 no voarain’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny


  • Alatsinainy 06 Desambra 2021

Ny 11 novambra 2021 no nosokafana ny antso fiantsoana fametrahana antontan-taratasy ho an’ireo te hotendrena ho Ambasadaoron’i Madagasikara any ivelany nataon’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny.

 Notanterahina ny 3 desambra lasa teo ny fanokafana ireo atontan-taratasy niaraha-niasa tamin'ny solontenan'ny Bianco sy ny vaditany. Miisa 303 ny atontan-taratasy voaray, raha ny tatitry ny Minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina ny sabotsy 04 desambra teo. Natomboka avy hatrany ny fijerena tsirairay ireo antontan-taratasy. Aorian'izay, ireo rehetra mameno ny fepetra notakiana sy manana ny fahaizana mifanaraka amin'ny andraikitra hosahanina, dia hoaterina anivon'ny Fiadidian'ny Repoblika, hoy ny fanazavana. Marihina fa ny Filoham-pirenena irery ihany no manana ny fahefana hanendry ireo Masoivoho hisolo-tena antsika any ivelany araka ny voalaza ao amin'ny andininy faha 57 anatin'ny Lalàmpanorenana. Endrika iray maneho ny tsy fahamatoran’ny Fanjakana Rajoelina ny fitarazohan’ny fanendrena masoivoho, kanefa dia mailaka dia mailaka nanala ireo ambasadaoro maro tany ivelany fotoana fohy taorian’ny nahazoana fahefana. Telo taona aty aoriana, zara raha nisy 5 teo ny ambasadaoro voatendry. Toerana sy firenena stratejika manodidina 13 na 14 tsy mbola hananantsika masoivoho hatramin’izao. 3 taona aty aoriana tsy mahatafapetraka ambasadaoro, izay porofon’ny tsy fahavonona hitondra firenena, tsy manana olona, ary sambany tao anatin’ny 60 taona izany hoe: Fanjakana manangona “CV” izany mba hijerena izay mety ho azo atao ambasadaoro.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT