Niteraka resabe ilay fihetsiky ny Depioten’Ambilobe nilako sy nfandako tamina
Sekretera Jeneralin’ny kaominina ny talata teo. Afa-baraka tanteraka satria tsy olon-tsotra fa olona ambony ny tena, ary solombavambahoaka. Tsy vao sambany no nisy tranga tahaka io, fa efa nisy ihany koa ilay fihetsika nataona depiote IRD Jocelyne Maxime tany Antsiranana ny volana martsa 2020. Nifamaly imasom-bahoaka sy nifanao taim-bava tamina ben’ny tanàna, nisikotra orona polisy monisipaly izay miendrika fanambaniana, sanatria toy ny ady an-tsena. Nivoaka ho fanta-bahoaka ihany koa ny fifamaliana teo amin’ny Tale Jeneralin’ny seraseran’ny fiadidian’ny Repoblika sy ny depioten’Ikongo, izay misy ny vava be sy tonga hatrany amin’ny hoe miala tsy ho MAPAR sy ny resaka famoahana dosie,…. Vadina minisitra iray nanebaka ny Talen’ny seraseran’ny fiadidian’ny Repoblika any anaty tambajotran-tserasera. Vadina minisitra sady Sekretera jeneralina Minisitera mifandramatra amina solombavambahoaka. Fifandrifian-javatra ihany ve ireny sa efa endrika tsy fahazakana fahefana fa toa sesilany izy ity? Sa sanatria miverina ilay hoe: “sans qualité” voambolana malaza tamin’ny tetezamita nentin’ny Afrikanina nanambany ny mpitondra?
MISY LONILONY LALINA…
Miharihary ny tsy fahazakana fahefana, hany ka mandeha ny herisetra, ny fifanaovana vava be,… Miady ho akaiky ny Filoha, misy mahatsiaro ho voailika,… fa ny azo hamehezana azy, dia misy ny lonilony, misy fampisehoana tanjaka,… Ny Depiote Rossy efa namoaka vava fa ireo solombavambahoaka no niady nahatongavan’io Fanjakana io teo tamin’ny tolon’ny Depiote 73, ka tsy ny olom-boatendry no hanindritsindry ny olom-boafidy, ary nilazany fa manohana an’I Depiote Brunelle izy ireo. Azo adika ho tezitra amin’ireo manao fihavin’ny tafara ireo mahatsiaro namono ny voay. Ny minisitra Hajo Andrianainarivelo naneho fa tsy ny olom-boatendry no hisekoseko hanindry olom-boafidy eto mantsy ireo olom-boatendry sasany akaiky ny Filoha. I Norbert Lala Ratsirahonana nampitandrina ny volana janoary 2020 mba tsy hisetrasetrana sy hanilikilihana ny olom-boafidy AVI,… Ho sahirana i Andry Rajoelina satria samy olona ireo amin’ny ankampobeny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.