Politique

Olivier Rakotovazaha -MFM “Tsy mampino hoe izao fitondrana izao no hamerina ny Iles Eparses”


  • Zoma 28 Febroary 2020

Naneho ny fahitany ny fivoaran’ny raharaham-pirenena ankehitriny tamin’ny alalan’ny sekretera jeneraliny, Olivier Rakotovazaha, ny antoko politika MFM.

 

 Namerina ny tenany fa tsy hiverenana arina an-tava ny raharaham-pirenena ary namoaka hevitra izy ireo mikasika ny nosy Malagasy, ny fitsinjaram-pahefana, ny olana maromaro hita taratra tamin’ny fivoriana farany teo. Manomana ny filankevitry ny foibe indray, izay atao ato ho ato, ny MFM ankehitriny. Raha ny mikasika ny nosy Malagasy fotsiny, ohatra, dia efa namoaka boky mikasika ny fahitanay izany izahay ny taona 2019. Ny taona 2009 izahay no nanomboka niresaka izany teny an-kianja. Antony nisian’ny fanonganam-panjakana teto, hoy izy, ireo nosy ireo. Nitadiavan’ny frantsay fanjakana azony fehezina hipetraka teto Antananarivo izany. Toy izany koa ny fitsinjaram-pahefana, izay tsy inoanay ny hisiany ankehitriny, satria tsy niainga tamin’ny fifidianana. Rehefa tsy olom-boafidy no mitantana fitsinjaram-pahefana dia fitsinjaram-pitondrana no anarany. Tadidio fa efa nataon’ny frantsay ny didim-pitondrana hanao fikarohana tao amin’ny nosy Juan de Nova; tena  tsy mampino raha izao fitondrana izao no hamerina ireo nosy ireo, hoy izy. Na tsy maintsy hiaraka hitantana ireo nosy ireo aza anefa dia tsy voatery ho firenena frantsay no hiarahana hitantana izany, hoy izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT