Politique

Olga Ramalason “Misotasota ireo kandidam-panjakana”


  • Talata 14 Mey 2019

Manao sotasota sy antsojay ireo kandidam-panjakana. Zavatra misy ary hitanay izany satria nahatety faritra maro izahay, toa an’i Toliara, Menabe, Toamasina, Fianarantsoa, Mahajanga, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko TIM Olga Ramalason.

 

 

 

Misy ny sarin’ny filoham-pirenena lehibe dia lehibe ary mampiasa ny anarany ny kandidam-panjakana. Ny anarana dia efa hita eny amin’ny peta-drindrina satria izay rahateo no anarany hoe : Miaraka amin’ny Prezida Andry Rajoelina. Iny efa neken’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Ilay mampiasa sary lehibe, dia manontany tena izahay hoe : Filoham-pirenen’ny Malagasy rehetra ve ny filohantsika amin’izao fotoana sa filohan’ireo kandida avy amin’ny antoko TGV na MAPAR  na ny IRD satria izany no hita any, hoy hatrany i Olga Ramalason. Novantaniny fa manindry dia manindry tokoa ary manao ramatahora sy antsojay ny kandidam-panjakana. Tena velon-taraina ny kandida hafa, izay tsy ny TIM ihany fa ireo hafa ihany koa. Izaho dia mino fa tsy ny filoham-pirenena mihitsy no handika lalàna ny amin’izany fa ireo kandidam-panjakana ireo no manararaotra manao fihetsika tsy milamina. Misy ihany koa ireo manampahefana sasany manararaotra mampiasa fitaovam-panjakana, hoy ny fanazavany. Tena misy io. Ny fiaram-panjakana izay takelaka mena, ohatra, dia havadika ho lasa takelaka  mainty. Any amin’ny sisiny no tena ahitana izany. Nasiany resaka ihany koa ny mahakasika ny fanesorana sefom-pokontany. Betsaka izy ireny no soloina kanefa efa ankatoky ny fifidianana isika izao. Izy ireny anefa no mandrafitra ny lisi-pifidianana ka hahafehy izany ve ireo vao napetraka ? Nilaza kosa ny eo an ivon’ny CENI fa tsy naharay fitarainana na fitoriana.

 

Nahatsiaro manokana ny faha-47 taonan’ny tolon’ny 13 mey 1972 ny avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara omaly. Nanatitra fehezam-boninkazo tetsy amin’ny Kianjan’ny 13 mey ireo mpikatroka notarihin’ny Sekretera jeneralin’ny TIM Rtoa Olga Ramalason sy ireo kandida solombavambahoaka atolotr’izy ireo. “Natao izao satria mbola lavitra ny tolona ataontsika, ary tsy mbola azo ny zavatra takiana, namoizana ny ain’ireo mpiray tanindrazana, ary mbola azo lazaina tsy afaka i Madagasikara”, hoy izy.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT