Matetika tsy afa-po amin’ny tolotra omen’ny mpiasam-panjakana azy ireo ny olom-pirenena na “usager” eto Madagasikara ankehitriny noho ny fahaelan’ny asam-panjakana atolotr’izy ireo na “lenteur administrative”,
hoy ny manam-pahaizana momba ny fitantanan-draharaham-panjakana, Lynda Creuzet. Misy karazana kitoatoa ihany koa eo amin’ny lafiny kalitaon’ny asa omena ireo olom-pirenena, hoy izy. Latsaka ambany be io. Tsy voahaja ny etika dia ilay hoe inona no andrasana amin’ny maha mpiasam-panjakana anao? Tsy hajaina koa ny lamina apetraka na “procédure”. Ny fahatelo dia tsy ampy ny fampirisihana na “motivation” an’ny mpiasam-panjakana hany ka mampirona azy any amin’ny resaka kolikoly. Maninona moa no misy ilay hoe “lenteur administrative” rehefa hikarakara taratasy? Satria noho io resaka tsy fahampian’ny fampirisihana io. Lasa saika hita any amin’ireo biraom-panjakana ny voambolana hoe “mametraha kely!”, hoy hatrany ny tenany. Namoaka voka-pikarohana mikasika izany indrindra moa farany teo ity manam-pahaizany ity, araka ny fampahafantarany. Ilaina, hoy izy, ny fampidirana ny atao hoe “Approche 5S Kaizen” hisian’ny kolontsain’ny kalitao mba hitohizan’izany amin’ny atao hoe kalitaon’ny tolotra omena. Tafapetraka ho azy rehefa tontosa ireo ny atao hoe fitantanana kalitao na “gestion de qualité” ary miala tsikelikely ny kolikoly. Dingana miisa 5 no mila harahana sy mitohy isan’andro. Voalohany ny hoe “Sivanina” na fanivanana ireo rantsana tsy ilaina. Ho anay ao amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena izao, ohatra, dia mila apetraka mazava ny resaka filana ara-kasa na “condition de travail”. Jerena hoe inona no solosaina tsy tokony hiasa intsony dia esorina tao fa mahakamo ny mpiasa na ny mijery azy mipetra-potsiny ao aza. Faharoa ny atao hoe “sokajiana”. Sokajiana mihitsy ilay rafitra. Alamina araka ny tokony ho filaharany ireo antotan-taratasy hoe ity no tokony mbola hiasa hahafahana mamita zavatra iray. “Sasana” no anaran’ny dingana fahatelo. Fanadiovana faobe ny tontolo iainana ao am-piasana io. Akisaka ao anatin’io koa izay mpiasa tsy mahomby rehetra. Eto tsinona misy hoe hatramin’ny mpiasa matoatoa mbola ao. Tsy misy volabe miasa ao anatin’izany ka tsy tokony ho fialana intsony ny hoe tsy misy vola. Fahaefatra ny hoe “soratana”. Fanoratana ireo dingana tsy maintsy arahan’ny rehetra io. Ny fahadimy moa dia ny hoe “sahanina”. Mipetraka eo ny resaka fitsipika na “discipline”. Fomba fitantanana japoney moa ny “5S Kaizen”, raha ny fanamarihany, ary ny minisiteran’ny fahasalamana no nanaraka izany voalohany teto ary ezahanay ny angataka ny hametrahana ny fampiharana azy ankehitriny ao amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, hoy hatrany ny tenany, ho an’ny fitantanana ny maha olona na “ressource humaine”.
J. Mirija
Legende: Izy no Lynda Creuzet aminy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.