Misy ireo manampahefana ambony re sy fantatra hoe miasa: Filoha, Minisitra ny atitany, serasera, filaminana anatiny, tontolo iainana, varotra sy fanjifana¬, fahasalamana, Zandarimariam-pirenena,
y
fanabeazana, paositra sy fifandraisan-davitra, vola sy ny tetibola,..¬. Ireo aloha no hita matetika. Ny Praiminisitra moa na hita ihany aza indraindray dia toa somary an-tsisin-tosy ihany fa ny filoha no tena na tena nomena sehatra na manome fahefana be ny Praiminisitra aza ny lalàna rehefa mandray ny fepetra ho ao anatin’ny hamehana ny firenena iray. Tsy fantatra mazava kosa hoe miasa mangina sa manao inona ny minisitra hafa izay toa tsy re? Ekena fa misy ireo minisitera manana andraikitra manokana ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao. Misy ny mety miasa mangina sy mandray andraikitra, toy ny fizarana fanampiana nataon’ny minisitry ny mponina, ny an’ny Minisitry ny fampianarana ambony, ny an’ny minisitry ny fanatanjahantena,… 23 ny mpikamban’ny governemanta, saingy misy ny efa am-bolana no tsy nahenoana feo firy intsony. Isan’izany, ohatra, ny Minisitra lefitra misahana ny tanàna vaovao sy ny tanàmasoandro Atoa Zasy Angelo, ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy Hajo Andrianainarivelo efa ela no tsy re feo ihany ka asa na tena mandeha ny asa fanatsarana ireo làlam-pirenena nambaran’ny filoha na ahoana, manana andraikitra lehibe ihany koa ny minisitry ny asa sy lalàna sosialy Gisèle Ramampy amin’izao krizy mahazo ny mpiasa Malagasy izao ka asa izay vahaolana arosony fa izy aloha dia efa ela no tsy re, toa nangina ihany koa ny minisitry ny rano Voahary Rakotovelomanantsoa,… Ny irariana dia ny hoe miasa mangina izy ireo fa tsy sanatria makamaka aina amin’izao fotoanan’ny fihibohana izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.