Manahirana ny antontan’isa navoakan’ny sampan-draharaha misahana ny
kolikoly eto amintsika fa toy ny hoe ny 70 na 80%n’ny raharahana kolikoly dia Kristianina no manao azy, hoy ny avy eo anivon’ny hetsika Harambato ho an’ny 60 taona tetsy amin’ny Arrupe Faravohitra. Toy ny hoe marefo ny fijoroana vavolombelon’ny Kristianina manoloana izany zavatra izany. Anton’izao hetsika izao izany mba hanairana ny Kristianina hijoro amin’ny fahamarinan’ny tenin’Andriamanitra eny anivon’ireny sehatra ireny. Araka ny fanazavan’ny pasitera Mamy Rasolofondraibe izay isan’ny mpanomana ny hetsika dia fotoana fanangonan-kevitra sy soson-kevitra momba ny tombony sy lesoka tao anatin’izay 60 taona izay ity hetsika ity. Fifampizarana izany no atao hatramin’ny tapaky ny volana desambra ary aorian’izay dia haravina ny hevitra rehetra voaray. “Maro tohanan’ny maro” moa no anarana omena izany fandravonan-kevitra izany satria tsy hanavahana sy hanasana ny rehetra ka hahazo ny anjara hahafahana mampihatra azy io ny sehatra rehetra na fitondram-panjakana na fiarahamonim-pirenena na fiangonana sy sehatra misy rehetra. Ny tsikaritra teo aloha dia tsy tonga tany amin’ny mpanatanteraka hatrany ireo hevitra naroso ka nahatonga antsika ho tsy nandroso, hoy izy ireo, ka aleo ezahana ahitsy amin’izay izany.
J. Mirija
Legende: Ny pasitera Mamy Rasolofondraibe
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.