Mazava ny fanambarana ofisialy nataon’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly sy ny toromarika nomeny ny governemanta ho fisakanana ny mety hidiran’ny Coronavirus eto Madagasikara sy ny fandrindrana ny fiainana ara-tsosialy sy ara-toekaren’ny firenena ihany koa.
Tsy i Madagasikara irery fa efa firenena maro no nanapa-kevitra hampiato ao anatin’ny 1 volana (30 andro) ireo sidina ifandraisany amin’izao tontolo izao.Nampitandrina ireo mpanely tsaho koa ny filoha ary nanentana ny rehetra mba hanaraka hatrany ny toromarika sy ny fandaminana.Efa tena ady no atrehan’izao tontolo izao, tsy hoe ady amam-basy sy tafondro fa ady amina areti-mandoza izay nanova tanteraka ny fiainan’ny zanak’olombelona tao anatin’ny iray volana monja : satria voatohintohna ny fahafahana mifamezivezy malalaka, mivory, manao fety, miasa, mianatra, miantsena..tena niova ny fiainana andavanandro.Niantso ny rehetra ho tony ary hanandratra vavaka omaly ny fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara ; tsy misy maniry ratsy ho an’ny firenena eto fa samy te hahazo ny soa.Fotoana angamba izao hanaporofoana fa iray ny Malagasy ary mahay miara-miaina na dia eo aza ny firehana ara-kevitra sy ny loko politika samy hafa.Efa herinandro latsaka kely izay no nandroso soso-kevitra ny amin’ny hanafoanana ireo sidina avy any ivelany miditra eto Madagasikara ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ; maro ireo mpanao politika nisintona lakolosy sy nanaitra ny fanjakana hoe : sao dia tokony atao hentitra kokoa ny fepetra raisina fa ho zava-doza raha tafiditra eto ny Coronavirus.Maro no resy lahatra fa karazana fambara izao handinihan’ny tsirairay tena ary hamerenana indray ny firaisam-pirenena..tsy misy firenena mandroso ao anatin’ny fifandrafiana tokoa mantsy.Natomboka saingy tsy mbola vita ny fampihavanam-pirenena eto Madagasikara, sao dia mba amin’izao ady atrehana amin’ny Coronavirus izao no fotoana mety hanaingana indray azy io, ho fandresena lehibe ho an’i Andry Rajoelina ny fananany finiavana sy fahasahiana ara-politika hanohy io fampihavanam-pirenena io raha ny fahitan’ny mpandinika politika azy.Izy rahateo dia anisan’ireo efa tafiditra ao amin’ny tantara politika eto sy ny tantaram-pirenena ka tsy afaka ny hoe hanilika ny rihitra any amin’ny hafa foana rehefa misy tsy fahombiazana fa tokony hanana toetrana mpitarika mahavita mampiombona ny Malagasy rehetra ; izay no maha filoha Ray amandrenin’ny Malagasy azy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.