Miisa 20 amin’ny 24 hatreto ireo dosie momba ny famotsoran-keloka sy
fanonerana nekena hatramin’izay nitsanganan’ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy (CFM) izay. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny CFM, Maka Alphonse, dia tafiditra ao anatin’io koa ny fanonerana ny andraikitra tokony niantsorohana na “réparations de carrières’’. Ireo raharaha teo anelanelan’ny taona 2002 ka hatramin’ny taona 2014 moa no voakasik’izay fanonerana sy famotsoran-keloka izay. Araka ny fanazavana efa naverimberin’ity rafitra ity hatrany moa dia anjaran’ny fitondram-panjakana ny fanatanterahana ireo fanapahan-kevitra fa ny anjaran’ny CFM kosa dia ny mandinika sy mampahafantatra ny heviny momba ireo dosie amin’izay fahefana mpanatanteraka izay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.