Politique

Olana atrehan’ny firenena Izao no tena ilàna ireo mpanefoefo sy matanjaka


  • Talata 31 Martsa 2020

Tena mafy amin’ny Malagasy ny fepetra raisina mba tsy hiparitahan’ny valan’aretina coronavirus.

 

 

 

Mikatso ny ankamaroan’ny asa aman-draharaha, ary maro ny olona no miezaka mihazo ny toerana ambanivohitra, sao mba any no azo hiainana kokoa amin’izay harapaka. Izao no tena ilàna firaisankina sy fifanampiana. Misy ny olona tena hoe tsy afa-manohatra. Tsy maintsy mivoaka miasa izy satria tena ara-bakiteny eto amintsika ny hoe: ny hoanina anio tadiavina anio. Ny tany Bénin dia notsorin’ny Filohany Patrice Talon, fa tsy misy hoenti-manana mitovy amin’ny firenena matanjaka izy ireo mba hahafahana mifehy mafy ny vahoaka tsy hivoaka. Mba hampifanarahana amin’ny famerana ny fahafaha-mivezivezy na ny fihibohana ao an-trano, dia vola be no ampiasain’ireo firenen-dehibe. Raha tiana hihiboka ny olona tsy maintsy omena sakafo sy izay farafahakeliny ilainy;  io iaraha-mahita io anefa ny tohana ara-tsosialy avy amin’ny fanjakana izay lasa mampisavorovoro, ary betsaka no tsy mahazo akory. Ny fanjakana ihany koa anefa tsy manam-bola hamahanana ny Malagasy sahirana rehetra. izay tsy afaka miasa. Eto no tokony miditra an-tsehatra ireo tompona orinasa, mpanefoefo sy manan-katao eto amin’ny firenena. Mitambatambatra eo dia manampy ny fanjakana manampy ny sahirana. Aiza daholo ireo manan-katao ireo amin’izao izay vitsy no re amin’ny fanoloran-tànana? Ary io koa mila atao mangarahara fa tsy hoe efa nanao mangingiana tany ambadika tany i Rakoto na Rasoa. Miandry misy maty ve sanatria vao mba hahatsapa tena fa mila mifamonjy sy mifanampy amin’izao fotoan-tsarotra izao. Mila firaisankinam-pirenena izao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT