Politique

OIT-100 taona Nihaona tamin’i Angela Merkel i Andry Rajoelina


  • Alarobia 12 Jona 2019

Filoham-pirenena maherin`ny 40 no mikaon-doha mandritra ny fanamarihana ny faha zato taona nirenan`ny OIT (Organisation International du Travail) atao any Genève - Suisse ka mandray anjara amin`izany i Madagasikara amin’ny alalan’ny filoha Andry Rajoelina.

 

 

Nihaona tamin’ny Chancelière Alema Rtoa Angela Merkel izy omaly. Sehatr'asa toy ny angovo, ny tontolo iainana ary ny fampianarana no niarahan'ny roa tonta nidinika. Noho ny fanasan-dRtoa Merkel dia handefa delegasionina avy amina minisitera maro ho any Alemana tsy ho ela ny filoham-pirenena. Ny OIT dia fikambanana iraisam-pirenena teraka tamin`ny taona 1919 tao anatin`ny « traité de Versailles » ary hany sisa mijoro amin`ireo fikambanana napetraka nandaminana ny tany tamin`izany. Hanatrika ny fihaonambe ireo fikambanana tsy miankina samihafa, sendikà isan-tsokajiny amin`ireo firenena 178 mpikambanana ao anatin`ny OIT. Tanjona amin`izao fampihaonana tompon’andraiki-panjakana sy mpampiasa izao ny handrafitra ny fenitra iraisam-pirenena sy hamolavola politika ary hanangana fandaharan`asa mikendry ny fampivoarana ny asa mendrika ho an`ny rehetra. Hatramin`izao, fampiroboroboana ny asa mendrika ho an`ny tanora sy ny ady amin`ny fampiasana ny ankizy no ifotoran`ny fanamby napetraky ny OIT iarahana miasa amin`i Madagasikara.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT