Mitombo isa hatrany ireo fikambanana mitaky ny famoahana tsy misy hatak’andro ireo gadra politika. Nanatevin-daharana ny Komitin’ny firaisankina sy ireo fikambanana miaro ny zon’olombelona ny OFPACPA sy ny Toliara Mijoro.
Nambaran’i Victor Wong fa ny zava-nisy teo aloha izay efa nijoroan’ny fikambanana tarihiny hatramin’ny taona 2002 ihany no miverina amin’izao fotoana. «Raha mitohy izao fanagadrana ireo tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra izao dia hiafara amin’ny sesitany koa i Andry Rajoelina» hoy izy. Marihina fa tsy eto an-drenivohitra ihany no misy olona nogadraina noho ny heviny ara-politika fa saika manerana ny nosy ka anisan’izany ny ao Toliara. Raha nambaran’i Tsimilamaro Valisoa, zanak’i Toliara dia mbola voatazona any am-ponja hatramin’izao ireo olona voapanga tamin’ny fanapotehana ny radio Soatalily.
Fanontaniana no apetrany raha efa hifamono toy ny zava-nitranga tany Rwanda ny vahoaka izay vao hiroso amin’ny fampihavanana ny Malagasy. Miantso ny fifamelan’ny samy Malagasy, araka izany, ireto fikambanana ireto ary manohana ny fanatontosana ny fampihavanam-pirenena izay tarihin’ny Profesora Zafy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.