Politique

Ny tonta no avadibadika 5 ny mpikamban’ny governemanta vaovao


  • Alakamisy 17 Martsa 2022

Minisitra 9 no notendrena hanandrafitra sy hameno ny toerana banga tao anatin’ny governemanta, ka misy amin’ireo no efa minisitra teo aloha, misy ny nafindra toerana.

 Ny 2 no efa minisitra nesorina tamin’ny 15 aogositra 2021 izay tafaverina ao anaty governemanta saingy hampisahanina andraikitra hafa, 2 minisitra efa teo fa novaina toerana. Dimy ny vaovao ka 1 efa minisitra tamin’ny tetezamita, ary 4 sambany hisahana toerana ao anaty governemanta. Ny tonta ihany izany no navadibadika. Lasa 30 (Minisitra 28 sy sekereteram-panjakana 2) ny mpikamban’ny governemanta raha 32 teo aloha satria nofoanana ireo toerana minisitra lefitra roa. Tafaverina ao anaty governemanta Atoa Randriamandranto Richard ka hiantsoroka ny raharaham-bahiny, raha minisitry ny toekarena sy ny vola no notantaniny teo aloha. Voatendry ho minisitry ny rano i Fidiniavo Ravokatra izay niantsoroka ny harena an-kibon’ny tany teo aloha. I Tinoka Roberto nesorina tamin’ny Minisiteran’ny fitaterana ary naverina hiantsoroka ny tanora sy ny fanatanjahantena. Nofoanana kosa ny toeran’ny Minisitra lefitra tao amin’io minisitera io, izany hoe: nangoron’entana Rtoa Juliana Ratovoson. Ramaholimihasy Pierre Houlder kosa nesorina tao amin’ny Minisiteran’ny atitany ary hampisahanina ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany. Tafaverina ho minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro kosa Atoa Ranjatoelina Rolland, izay efa nitana izany toerana izany tamin’ny andron’ny tetezamita, mpiasa ambony teo anivon’ny Air Madagascar. 4 ireo sambany ho minisitra, dia ny minisitry ny Fitsarana Atoa Rakotozafy Francois, izay mpitsara ambony manana galonana “Magistrat du premier grade”, efa Filohan’ny CES (Cour Electoral Spécialisé) tamin’ny tetezamita. Minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana Atoa Tokely Justin, izay “Administrateur civil, governora tany SAVA nialohan’ny nanendrena azy ho minisitra. Voatendry ho minisitry ny harena an-kibon’ny tany kosa Atoa Rakotomalala herindrainy Olivier, Injeneiera momba ny harena an-kibon’ny tany. Minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana kosa Rtoa Vina Marie Orléa, izay voalaza fa efa nisahana andraikitra maromaro tao amin’ny Minisiteran’ny Ekolojia tao Frantsa. Tena hamaha ny olan’ny firenena ve ny fanovana sy ny endriky ny governemanta ankehitriny sa natao fampitoniana ara-politika fotsiny ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT