Raha ny heno etsy sy eroa dia hoe mpandany lalàna sy mpanolotra lalàna no tena andrasana amin’ny solom-bavam-bahoaka.
Fa raha tsorina mivantana kosa nefa dia asa masina sy manan-daja lehibe dia lehibe tokoa ho an’ny firenena.Ny depiote no mitondra ny olan’ny distrika misy azy eo anivon’ny fitondrana mpanatanteraka tahaka ny Ministera isan-tsokajiny ka manara maso ny fanatanterahana ny vaha-olana sy ny fampanantenana nataon’ireo tompon'andraikitra.
Manindry mafy ireo minisitra
Raha handray ohatra mivantana isika, dia raha depiote avy eny Antananarivo Atsimondrano izany, dia anjarany no manery ny minisitry ny fahasalamana, momba ireo hopitaly tsy ampy fitaovana eny amin’ny faritra Anosizato sy Ampitatafika. Anjarany sy asany ihany koa ny miteny ny minisitry ny asa vaventy noho ny fahasimban’ny lalana ka miteraka fitohanana izay mampitaraina mafy ireo mponina eny amin’iny faritra iny. Tsy ho adino koa ny tokony hifandraisany akaiky amin’ny minisitry ny fiarovam-pirenena sy ny filaminam-bahoaka noho ny tsy fandriam-pahalemana misy eny Ampitatafika sy ny manodidina.Ny solombavambahoaka mantsy no mandany ny teti-bola ampiasain’ny ministera tsirairay, ka hahafahany manery ireo minisitra ny mba hampiasan’ireto farany ny volam-panjakana amin’ny tokony ho izy marina ho an’ireo distrika izay hiadidiany. Rehefa vita ny fandaniana izany teti-bola izany dia izy ireo no anisan’ny manara-maso ny fanatanterahana ny asa sy ny fandrosoan’ny tetik’asa izay efa natao vina mialoha isaky ny ministera. Azony atao tsara ihany koa ny mitatitra raha misy fahatarana na tsy fanarahan-dalàna tamin’ny asa nataon’ireo orinasa mpanantateraka.
Tandremo sao voafitaka e !
Indrisy nefa, rehefa mijery ny fampielezan-kevitra etsy sy eroa isika dia zavatra hafa tanteraka no hita sy dradradraina. Sanatria ve dia tsy mahalala ny asa ho ataony akory ireto kandida ? Sa minia mamitaka ireo mpiara-belona aminy? Ao ireo mizara vary fito venty sy akanjo mora rovitra, ary miafara amin’ny fakana sary mody mihosina amin’ny vahoaka. Ny tena loza ary dia misy mihitsy ny mampanantena fa izy tenany no hanatanteraka ny asa. Mazava ho azy fa dia lainga marivo tototra izany satria izy ireo dia mpanara-maso fa tsy mpananteraka. Misy ihany koa ireo kandida no milatsaka mba hahafahany mahazo ilay “immunité” na ny tsy fahazoana manenjika azy araka ny lalàna, noho ireo bizna maro nataony na mbola ho ataony. Mila tena matotra sy mahay mifidy araka izany isika mianakavy satria zava-dehibe loatra amin’ny fiainantsika ny asan’ny solom-bavam-bahoaka. Anjarako, anjaranao, anjarantsika ny mizara izany eny anivon’ny fiaraha-monina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.