Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha omaly. Tonga teny amin'ny CCI Ivato izy omaly maraina, nitondra ny zaodahiny avy any an-dafy atao fitiliana mikasika ny Covid-19 teny an-toerana.
Nahazo fitarainana avy amin'ny Polisy mpiambina ny sisintany sy ireo miandraikitra ny fitiliana eny amin'ny CCI Ivato anefa ny Zandarimaria, noho ny maha faritra iandraiketan'ny Zandarimariam-pirenena ny faritra eny, fa manakorontana I Ny Rado Rafalimanana, ka dia nentin'ny Zandary avy amin'ny Brigade de recherche Fiadanana avy hatrany, hoy ny fanazavana. Voalaza fa nisy fitoriana hafa ihany koa miandry azy nataona Kolonely iray mombana resaka fisolokiana, nefa nahantona noho ny fisian'ny valan’aretina, fa efa eny rahateo ihany moa izy, dia atao ihany koa ny fanadihadiana momba izay fitoriana fisolokiana izay, raha ny voalazan’ny vaovao omaly. Vao tsy ela ity kandida ity no nohenjehin’ny fanjakana sy namoahana didy tsy fahafahana mivoaka an’I Madagasikara na IST rehefa nambara fa tsy ara-dalàna ny fikambananana nentiny nizara fanampiana taorian’ireny loza voajanahary vao tsy ela ireny. Tratry ny fampiantsoana sy ny famotorana samihafa. Nambaran’ny Talen’ny serasera eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Rinah Rakotomanga fa nifona tamin’ny Filoha Rajoelina izy. Nisy rahateo ny lonilony teo amin’ny roa tonta, indrindra tamin’ny fihodinana faharoan’ny fifidianana Filoham-pirenena. Nangingina ny raharaha Ny Rado Rafalimanana taorian’ny filazan-dRtoa Rinah Rakotomanga fa nifona izy. Io fa misy zavatra hanenjehana azy indray anefa ankehitriny, ka dia andrasana ny tohiny. Tsy fantatra na mbola notazonina na efa navotsotra i Ny Rado Rafalimanana tamin’ny ora nanoratanay.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.