Politique

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora


  • Zoma 03 Aprily 2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha afak’omaly.

 

 

Tonga teny amin'ny CCI Ivato izy, nitondra ny zaodahiny avy any an-dafy atao fitiliana alarobia 01 Aprily teo teny Ivato i Ny Rado Rafalimanana, raha hiverenana ny tantara. Nentin’ny mpitandro filaminana teny Fiadadana hanaovana fanadihadiana.Nanazava moa ny avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena fa hoe nitabataba tamin’ireo mpitandro filaminana nandamina teny amin’ny CCI Ivato no sady nanendrikendrika azy ireo ho manao kolikoly ity mpanao i Ny Rado Rafalimanana.Zavatra tena tsy mitombina ary fanalam-baraka tanteraka, hoy ny jeneraly Njatoarisoa Andrianjanaka komandin’ny zandarimariam-pirenena; nanao ny asany ireo araka ny toromarika nomena azy ka ny vehivavy mitondra vohoka sy ny zokiolona na izay mety manana kilema no tsy maintsy alefa mialoha amin’ny filaharana, hoy izy. Nahazo fitarainana avy amin'ny Polisy mpiambina ny sisin-tany sy ireo miandraikitra ny fitiliana eny amin'ny CCI Ivato anefa ny Zandarimaria, noho ny maha faritra iandraiketan'ny Zandarimariam-pirenena ny faritra eny, fa manakorontana i Ny Rado Rafalimanana, araka ny fanazavana. Nobedain’ny zandary avy amin'ny Brigade de recherche Fiadanana avy hatrany. Tsy vitan’ny voalaza fa nanakorotontana fotsiny ny vesatra fa nifoha avy hatrany ihany koa ny dosie hafa satria nisy fitoriana hafa miandry azy nataona Kolonely iray mombana resaka fisolokiana. Nahantona io noho ny fisian'ny valanaretina, hoy ny fanazavana. Efa nosamborina ihany izy, dia natao ihany koa ny fanadihadiana momba izay fitoriana fisolokiana izay. Tsy niandry ela fa omaly 02 aprily ihany dia natolotra ny fampanoavana ny tenany, ka nivoahan’ny didy savaranonando fampidirana am-ponja vonjimaika azy eny Antanimora.Tsy mbola misy resaka ny datim-pitsarana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT