Mitana ny sain’ny mpanara-baovao amin’izao fotoana izao ny raharaha fanakatonana ny orinasan’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, izay heverina ho misy ambadika ara-politika.
Na inona na inona antony, dia endrika iray mandrehitra ny afo politika eto amin’ny firenena. Misy fiainan’olona voatohintohina, misy asa ho very, misy Malagasy ho lasibatra, toy ny efa niseho tamin’ny raharaha 2009 nisiana fandrobana sy fandorana orinasa maro teto Madagasikara. Ao anatin’ny fotoana mampamaivay ny olana ara-toekarena, ara-tsosialy, ary indrindra ny ara-politika no ivoahan’ny fanapahan-kevitry ny mpitondra ankehitriny. Manaratsy endrika ny fitondram-panjakana foana io na manana ny heveriny fa marina sy rariny aza ny mpitondra. Mety ho paikady handemena an’I Marc Ravalomanana na ara-bola na ara-politika, saingy mety vao mainka hampahazo vahana azy. Vao mainka kosa hihena ny taham-panohanana ny Fanjakana Rajoelina eo anatrehan’ny zava-misy. Tsy mahavita manome asa ny Malagasy, tsy tena misy ny tohana ho an’ny mpandrahara, tsy voafehy ny krizy, midangana ny vidim-piainana, ny fitantanana ny raharaham-panjakana misavoritaka,… saingy toa mbola lany andro mihantsy ady amin’ny mpanohitra ny Fanjakana Rajoelina. Marary amin’ny Malagasy foana ny toe-javatra tahaka izao na inona na inona antony, ary mety ho isan’ny pitik’afo hiteraka fipoahana rehefa mitambatambatra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.