Politique

Ny Hasina Andriamanjato “Olam-panjakana no mila vahana eto ”


  • Alakamisy 15 Oktobra 2020

Natao hoe repoblika ny anaran’ny fanjakana izay natsangatsika, hoy ny minisitra teo aloha, Ny Hasina Andriamanjato, naneho ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena indray, indrindra, ny resaka fankalazana ny 14 oktobra sy ny fifidianana loholona hoavy.

 

 

Misy lalampanorenana nananganana io repoblika io dia ny laharana voalohany. Ao amin’ny andininy faha 2 no misy hoe “Etat de Madagascar qui s’intitule république malgache”. Ny dikan’izany dia hoe « Etat monarchique » na fanjakan’andriana, mpanjaka no nisy teto dia nolovain’ny fanjanahantany avy eo satria nisy ny fanjakana frantsay ary nizaka izany zom-pirenena maha frantsay izany ny ray aman-drenintsika rehetra tamin’izany. Niverina indray ny fanjakana malagasy taorian’izay ary nolazaina hoe « Etat de Madagascar ». Saingy mbola nijanona tao anatin’ny fitantanana na fianakaviamben’ny frantsay isika satria ao anatin’ny lalampanorenana frantsay izay natsangan’ny jeneraly De Gaulle ny 4 oktobra 1958 no nananganana fanjakana teto indray ary nanomezana antsika ny hoe fanjakana fa ao anatin’ny fianakaviambe frantsay. Nanangana fanjakana isika fa tsy nanangana firenena. Ny olana rehetra hatramin’izay ka hatramin’izao toy io resaka fifidianana io dia olam-panjakana. Ny lalampanorenan’ny repoblika voalohany dia ny 1958 no lany fa mbola tamin’ny aprily 1959 vao lany ny lalampanorenana notantanana ny repoblika voalohany. Taty aorian’ny fitsanganan’ny repoblika vao nipetraka ny lalampanorenana itantanana azy. Na inona atao dia tsy maintsy mifototra amin’ny lalampanorenana isika. Matoa misy ny adihevitra dia tsy mitovy amin’izao fotoana izao ny fomba firesahana ny lalampanorenana ary mampalahelo. Olam-panjakana fa tsy olam-pirenena io vahana eto io satria vahoaka no atao hoe firenena amiko, hoy hatrany ny tenany. Raha misaratsaraka io dia lasa fanjakana. Firenena aloha vao tokony ho fanjakana ary ny zanak’Israely, hoy izy, jereo fa firenena vao nitsangana ho fanjakana. Taorian’ny ady lehibe faharoa indray vao nitsangana ny “Etat d’Israel” ary efa tao anatin’ny soratra masina izy no firenena. Maika noho izany, hoy izy, ny fanitsiana lalampanorenana fa izay foana no hanararaotan’ny vahiny hakana ny harentsika.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT