Politique

Ny Hasina Andriamanjato Manome 2 volana hametrahana tanŕna madio


  • Zoma 21 Martsa 2014

Ren’ireo orinasa misahana ny serasera amin’ny alalan’ny aterneto sy finday ny antson’ny PDS-n’ny tanŕnan’Antananarivo vaovao ka tonga nitondra fanampiana ara-bola izy ireo. Samy nanome lelavola 150 tapitrisa Ariary avy ny Telma, Orange ary Airtel omaly teny amin’ny Lapan’ny Tanŕna.

 “Niantso fiaraha-miasa ianao dia mamaly izahay. Mpifaninana izahay nefa vitanao ny nampitambatra anay”, hoy i Patrick Pisal Hamida tale jeneralin’ny Telma nisolotena ireo tale jeneraly. Nilaza kosa i Ny Hasina Andriamanjato fa tena zava-dehibe ny fifanohanana tahaka izao amin’ny fanatsarana ny tanàna. Manome roa volana hametrahana tanàna madio moa ny PDS amin’ny alalan’ny fanesorana tanteraka ny fako izay mameno ny tanàna amin’izao. Mahatratra 760 taonina isan’andro ny fako raofin’ireo kamiao be 9 an’ny SAMVA raha efa an-dalam-panarenana ny 3 amin’ireo. Fiarabe 50 anefa vao ampy hanalana ara-potoana ny fakon’Antananarivo.

Hahavitana mandroaka ny fako ao anatin’ny 60 andro kosa ilay 450 tapitrisa Ariary avy amin’ireo orinasam-pifandraisana. Fa nampahafantatra ireo tetikasany ao anatin’ny enim-bolana koa ny PDS vaovao. Lohalaharana amin’izany ny fako voalaza teo fa ao koa ny fanamboarana ny lalana ao anatin’ny efa-bolana sy ny fandaminana ny fitohanana ao anatin’ny enim-bolana. Mety hisy mihitsy ny fandravana trano hanamboarana lalam-baovao sy fanitarana ireo lalana efa misy. Vitaina ao anatin’io fe-potoana io koa, hoy izy ny fandaminana ny resaka tsena sy ny fampiharana ny lalàna momba ny fakana ny haba sy tamberimbidy isan-karazany.

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT