Zava-dehibe amin’ny fiainam-pirenena ny tekinolojia ary mpahay an’izany no
efa minisitry ny fifandraisan-davitra sy ny tekinolojia ny tenako, hoy ny minisitra teo aloha, Ny Hasina Andriamanjato, nanazava izany nandritry ny famaranana ny hetsika Harambaton-kevitra ho an’ny faha 60 taona tetsy amin’ny Arrupe Faravohitra ny sabotsy teo. Misy antony aho matoa nampiditra ny “internet public” talohan’ny eoropeanina teto Madagasikara. Nahatezitra ny eoropeanina izany ny taona 1995. Minisitra aho tamin’izany fa izahay tao amin’ny ministera efa nampiasa ny atao hoe aterineto. Ny mpitondra vahiny ankoatry ny tao etazonia mbola tsy nampiasa. Manomboka ny taona 2021 dia ho avy ny tekinolojia vaovao rehetra hametrahana ny atao hoe “nouvel ordre mondial”. Hiova ny rafitra hitantanana ny toekarena sy politika eto ambonin’ny tany. Izay no mahatonga ahy miteny amin’ny mpitondra fiangonana sy fanjakana na mpanohitra na mpanohana na mpitondra ho avy fa hiova miainga avy amin’ny teknolojia ny fitantanana izao tontolo izao. Izaho manokana afaka manome fampiofanana maimaimpoana ny olona na amin’ny teknolojia na amin’ny fomba hitantanana ny raharaham-pirenena. Ny zaza teraka tamin’ity taona 2020 ity, mbola velona afaka 40 taona ary amin’izany afaka 40 taona izany raha 80 taona ny olona dia afaka miaina izy noho ny teknolojia izay hoavy hatrany amin’ny 150 taona na 200 taona. Ao anatin’izany rehetra izany dia misy zavatra be dia be tsy maintsy fantatra ny amin’ny hoe handova ny fanjakan’Andriamanitra ve ny firenena? Ny “mondial” na izao tontolo izao dia handova ny tany no heviny fa Kristy Jesoa dia ny hoe handova ny fanjakan’Andriamanitra ianao. Mety ho tratran’izao tontolo izao ny hamelona olona indray an-jato taonany maro nefa aza adino fa tsy maintsy ho potika sy foana izao tontolo izao. Firenena Malagasy ankehitriny sy hoavy handova ny fanjakan’Andriamanitra ao amin’ny Kristy anefa no tanjonay. Tsy maintsy mieritreritra ny rafitra haingana hitondrana ny fanjakana amin’ny fampiasana ny teknolojia tsy maintsy hampiasaina, noho izany, isika, hoy hatrany izy, hikajiana ny tontolo iainana sy zavatra maro. Mila rafitra, etika, lalàna, mpitondra mahatakatra izany anefa hitondra ny fanjakana rahampitso sy rahafak’ampitso mba handova ny fanjakan’Andriamanitra ny fanjakana Malagasy, hoy izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.