Ny Hasina Andriamanjato

> Notendrena ho PDS rehefa tsy nety voafidim-bahoaka


  • Alakamisy 06 Martsa 2014

Notendrena ho Filohan’ny delegasiona manokan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra i Ny Hasina Andriamanjato. Omaly alarobia 05 martsa 2014 ny minisiteran’ny Atitany no namoaka ny didim-pitondrana manendry azy ho amin’izany toerana izany.

Minisitra naharitra tamin’ny Repoblika faharoa izy. Tato anatin’ny tetezamita indray dia minisitry ny paositra sy ny fifandraisandavitra ary ny teknôlôjia vaovao tao amin’ny governemantan’ny firaisam-pirenena tarihin’i Beriziky Jean Omer izy nialoha izao fanendrena ho PDS izao. Efa minisitry ny raharaham-bahiny tao amin’ny governemantan’ny Fahefana avon’ny tetezamita izy talohan’izay saingy nametra-pialana. Anisan’ireo mpiara-miasa akaiky tamin’i Andry Rajoelina tao amin’ny Kaominina izy ary niara-nanongam-panjakana taminy fony ity farany Ben’ny tanànan’Antananarivo. Izany hoe tsy vaovao amin’ny fitantanana ny Kaominina i Ny Hasina Andriamanjato, andraikitra efa nosahanin’ny pastera Andriamanjato Richard, rainy ihany koa, tamin’ny nahavoafidy azy ho Ben’ny tanàna teo anelanelan’ny 1959 sy1975. Efa kandida Ben’ny tanàna tamin’ny 1999 nifaninana tamin’i Marc Ravalomanana i Ny Hasina Andriamanjato, anisan’ireo kandida filoham-pirenena nifaninana tamin’i Marc Ravalomanana tamin’ny 2006 ihany koa ny tenany. Asa miandry an’i Ny Hasina Andriamanjato ao amin’ny Kaominina ny mitady vahaolana amin’ny fanadiovana ny tanàna hanalana ireo fako miavosa etsy sy eroa, ny fanamboarana ny lalana izay feno lavadavaka ankehitriny, ny fandaminana ny tsena sy ny mpivarotra amoron-dalana, ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, ny amin’ireo fanotofana tany mirongatra tato ho ato. Vokatr’ity fanendrena ity dia ny minisitry ny fiarovam-pirenena ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien André indray izao no misahana vonjimaika ny minisiteran’ny paositra sy ny fifandraisandavitra ary ny teknôlôjia vaovao ary ny minisitry ny fitaterana Ramarcel Ramanantsoa Benjamina kosa no mandray an-tanana vonjimaika ny minisiteran’ny fizahantany.

 

Encadré

 

Efa nifandimby nitantana ity renivohitra ity Atoa sy Rtoa isany Rakotonirina Stanislas (1959), Andriamanjato Richard (1959-1975), Rakotovao Andriantiana (1983-1990), Guy Willy Razanamasy (1995-2000), Marc Ravalomanana (2000-2001), Rajemison Rakotomaharo (2001-2002), Patrick Ramiaramanana (2003 - 2006), Hery Rafalimanana (2006-2007), Andry Rajoelina (2007-2009), Guy Rivo Andrianarisoa (2009), Edgard Razafindravahy (2009-2013), Olga Rasaminanana lefitry ny PDS nitantana vonjimaika ny tanàna.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT