Ny Hasina Andriamanjato

> Hanao fahagagana eto Antananarivo ?


  • Talata 11 Martsa 2014

Ao anatin’ny fahapotehana, ny faharatsiana, ny tsy fandriampahalemana ary ny fahalovana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra amin’izao fotoana izao, hoy ny Filohan’ny Delegasiona Manokana Ny Hasina Andriamanjato nandritra ny fandraisam-pitenenana voalohany nataony tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely omaly alatsinainy 10 martsa 2014.

Ny hanarina ity renivohitr’i Madagasikara ity ao anatin’ny fotoana voafetra no iraka hotanterahiny ka nanekeny ity fanendrena azy ity, raha ny fanazavany. Miisa efatra ny asa laharam-pahamehana hotanterahana dia ny fanadiovana ny fako, ny famahana ny olan’ny tsena, ny fanamboaran-dalana ary ny famerenana ny fandriampahalemana. Nilaza izy fa tsy ampy ny hoenti-manana eo am-pelatanana ka hatomboka amin’izay misy aloha ny asa fa tsy hiandry fanampiana lava. Na izany aza, fa mila fifanomezan-tanana sy fifanampiana ny fitantanana ny renivohitra, hoy izy. Nanteriny fa tsy maintsy voaverina amin’ny laoniny ny tanànan’Antananarivo.

 

Nantsoina fa tsy mitady toerana

Tsy misy mihitsy ny kajikajy politika ny amin’ny fanekena ity andraikitra vaovao amin’ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ity, hoy i Ny Hasina Andriamanjato. Nambarany fa ny fananana traikefa no antony iray lehibe niantsoan’ny filoham-pirenena azy hiantsoroka ity adidy sy asa sarotra fanarenana ny renivohitr’i Madagasikara ao anatin’ny fotoana fohy ka nanekeny izany. Notsiahiviny ireo lalana rehetra efa nizorany teo amin’ny tantaram-pirenena malagasy ka nilazany fa vao 30 taona monja izy dia nijoro nandray andraikitra. Filoham-pirenena sy filoham-panjakana 4, praiminisitra 8 ary governemanta miisa 13 no efa nahitana azy ka nisahanany andraikitra maro teto amin’ny firenena nanomboka tamin’ny taona 1993. Tanjony ao anatin’ny fotoana hitantanany ny renivohitr’i Madagasikara ny hanamora ny asa sy andraikitra izay hosahanin’ny Ben’ny tanàna vaovao hofidian’ny mponina eto an-drenivohitra mandimby toerana azy manaraka eo.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT