Politique

Ny Filoha may atsy may aroa Ny firenena anefa miha milentika


  • Alakamisy 28 Jolay 2022

Ny sary ezahin’ny fitondrana ankehitriny aseho, dia miasa sy matory andro aman’alina araka ny firesany ny Filoham-pirenena. Miezaka mitady ny fomba rehetra hampisehoana sary fa miahy ny Malagasy sy mamaha olana. Raha zavatra tokony hataon’ny tompon’andraikitra ao anatin’ny governemanta na ho an’ny rafi-panjakana eny ifotony aza,

 dia toa ny Filoham-pirenena no miditra an-tsehatra. Ilay filoham-pirenena no may atsy may aroa tsy mahatombon-tsiraka satria akaiky ny fifidianana sa ireo mpiara-miasa aminy mihitsy no tsy mahavita azy ka izy no tsy maintsy miditra an-tsehatra. Mandeha taksibe dia ny filoham-pirenena no nampivory ny mpitatitra kanefa ireny niaraha-nahita ireny ny savorovoro, tahotra ny hetraketraka no naneken’ny taksibe ny saran-dalana taorian’ny fifandroritana. Mandeha fizarana karan-tany, dia ny Filoha no mandeha manao izany. Mba mikaoty ny tantsaha satria ireo no maro an’isa amin’ny Malagasy, ka lasa laharam-pahamehana tampoka teo amin’ny resaka ambony latabatra ny fampandrosoana ny fiompiana sy ny fambolena, raha nolazaina teo aloha fa tsy afaka hiandry vary roa taona vao miakatra. Lazaina fa misy vola hamatsiana ny tantsaha. Raha tena mijery sy mitsinjo ny tantsaha sy ny tontolo ambanivohitra ny Fanjakana, ny kajikajy tsotsotra nataontsika dia ahazoana traktera 5600 isa raha 50 tapitrisa Ar ny iray ny volabe tsy toko tsy forohana 77 tapitrisa dolara (200 miliara Ar) nanaovana ny kianjan’i Mahamasina. Fa inona no mba natao tamin’ny tantsaha? Io indray ny sehatry ny lavanila izay olana be tao ho ao, dia iny fa ny Filoham-pirenena no nidina tany amin’ny Faritra SAVA nizara karatra biometrika. Zava-dehibe ary ilaina ireny, rariny raha misitraka teknolojia ny tantsaha, fa moa tena hamaha ny olan’ny tsy fandriampahalemana sy ny halatra lavanila? Tena hamaha ny fanararaotana ny tantsaha? Tsy mahavita azy ve ny tompon’andraikitra misahana ny resaka lavanila ka tsy maintsy midina ifotony sa tahotry ny tsy hahazo vato any amin’ny faritra mpamokatra lavanila noho ny fampanantenana poakaty hampiakatra avo telo heny ny vidiny tamin’ny propagandy?
NY GOVERNEMANTA NO TSY MAHAVOA SA NY FILOHA NO MAY ATSY MAY AROA?
Tsy ny Filoham-pirenena miditra an-tsehatra mamaha olana no ratsy fa moa tsy azon’ireo olona notendreny vahana ve izany? Iandrasana ny Filoham-pirenena ny olana rehetra vao hivaha? Ny mpanao làlana roa taona tsy mety mivoaka ny volany kanefa tsenan’asam-panjakana ara-dalàna, hoy izy ireo. Mbola miandry ny filoha? Ny kaompania an’habakabaka Malagasy ambony ambany tsy hita izay tena marina, ny vola manjavona, ny mpitantana mifanebaka. Iandrasana ny Filoha? Ny vidim-piainana midangana, tsy voafehy ny fanararaotana, hodiana adala ny fitarainam-bahoaka, ny volamena manjavona, ny fifandraisana an’habakabaka amin’ny firenena sasany atao takalon’aina, ny mpiasa eo amin’ny sehatry ny diplaomasia misy olana,…. ka dia miandry an’ilay Filoha daholo izany rehetra izany sady mba hoentina hampalazana azy?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT