Politique

Ny andrasana amin’ny fitondrana Maneho ny heviny ny olom-pirenena


  • Zoma 15 Aprily 2022

Tokony hifantoka amin’ny tena laharam-pahamehana, tsy misy ho antenaina aminy intsony, hafa ny lazain’ny vava, hafa ny ataon’ny tanany.

Ireo amin’ny ankapobeny no matetika heno amin’ireo olom-pirenena rehefa maneho hevitra mikasika ny fitantanana ny firenena ankehitriny. Hoy izy ireo;
Rahajanirina Notahianjanahary Rica, mpianatra, manomana fifaninanana
“Ho ahy manokana izao ny andrasako amin’izao fitondram-panjakana izao amin’ny maha mpianatra dia ny mba haha entitra ny fanaraha-maso hampihena na tsy hisiana kolikoly intsony any amin’ireo fifaninanana idirana ho mpiasam-panjakana. Eo koa ny fametrahana amin’ny toerany izay tena tokony ho laharam-pahamehana fa tsy ifantoka amin’ilay ataontsika hoe endrika ivelany fotsiny.”
SARY 1
Fifi Razakason, mpampianatra
“Raha izao manokana dia tsy miandry na inona na inona intsony amin'io satria efa fantatra fa hafa ny lazain'ny vava ary hafa ny ataon'ny tanana. Toy ny hoe tsy misy drafitra maty paika ho entina hiadiana izao fahasahiranana mahazo ny Malagasy izao. Ankoatra izay, efa hay koa hoe tsy hampiova na inona na inona eo amin'ny fiainan'ny malagasy io fitondrana io satria tsy maintsy hanala ny trosa tamin'ny fifidianana sy ny Covid aloha ary ny hafa izay tsy fantatra.”
SARY 2
Nanangona sy nandrindra: J. Mirija
 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT