30 andro mahery taorian` ny fisokafan` ny fivoriana ara-potoana faharoa eo
anivon` ny Antenimiera vao nivoaka tamin` ny fahanginany ny teo anivon` ny Antenimierandoholona. Ambetin-dresaka matetika ny hoe natao ampihimamba ny tetibola natokana ho an` ity andrimpanjakana ity. Nanamafy ny praiminisitra Ntsay Chrisitian fa mbola mandray karama soaman-tsara ireo loholona ka tsy tokony misy antony ilazana fa manao ampihimamba ny volan` ny Antenimierandoholona ny fitondram-panjakana. “Iza aminareo no miteny fa tsisy tetibola ao amin` ny antenimierandoholona? Raha tsy misy tetibola dia afaka mahazo karama ve izy ireo?” Raha tsiahivina dia nanambara ny minisitry ny toekarena sy ny vola fa “ny momba ny tetibolan’ny Antenimierandoholona dia nalefa hanampiana ny vahoaka kere any atsimo”. Nanao tohivakana ny fanambarana nataon` ireo loholona nandritra izany. Notsipihan` ny praiminisitra hatrany fa ny fitoniana ara-politika no andrasana amin`izao fiatrehana ny fifidianana loholona izay ho tanterahina amin`ny volana desambra izao, hoy ihany izy. “Ny firenena dia mila fitoniana amin`ny fifidianana amin`izao. Midika izany fa anjara asa ho an` ny olom-boatendry na olom-boafidy ny fitoniana ary hisian`ny firaisan-tsaina atrehina fifidianana. Tapitra rahateo ny fe-potoam-piasan` ny loholona” araka ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.