Anisan'ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo ny fanovana ny andininy sasany momba ny Sata mifehy ny Banky Foiben'i Madagasikara (BCM).
Ny fanendrena ireo mpikambana ao amin'ny filankevi-pitantanana ity nasiam-panitsiana ity. Ny Governoran'ny Banky Foibe moa no filohan'ny filankevi-pitantanana (PCA), 8 kosa ny mpikambana ka ny roa atolotry ny filohan'ny tetezamita, ny roa atolotry ny governemanta ary samy hanolotra olona roa ihany koa ny CST sy ny CT. Mandritra ny fitondrana tetezamita ihany no mihatra izany, araka ny fanazavana voaray. Mampieritreritra ihany ity fanovana ny Sata manokan'ny BCM ity, satria tsinjo dieny ety am-piandohana ho an'ireo izay mandinika tsara fa karazana paikady mba hifehezan'ny mpitondra tetezamita tanteraka ny Banky Foiben'i Madagasikara ka hametrahany ny olony no anton'izao.
Tsy maintsy olona atokisan'i Andry Rajoelina ireo roa ho atolony, ary azo antoka fa olona tena akaiky azy sy azony baikona. Maro an'isa ny TGV sy ireo vondrona politika manohana ny filohan'ny tetezamita ao amin'ny CST sy ny CT ka azo antoka fa tsy maintsy ho olon'izy ireo no hatolony. Any amin'ny solontena atolotry ny governemanta angamba, vao mety azo ho eritreretina hoe tsy ho olon'ny FAT intsony. Raha atao ny kajy tsotsotra dia olon-dRajoelina ny 6 amin'ireo 8 mpikambana ao amin'ny filankevi-pitantanan'ny Banky Foiben'i Madagasikara, manomboka izao, izany hoe ho voafehin'ny filohan'ny tetezamita tanteraka izany ny BCM. Ny manintona ny saina manarak'izay koa dia ny mety ho anton'izao fanovana izao na ny tanjona aminy. Nahoana no lazaina fa mandritra ny tetezamita ihany no hampiharana ity fepetra ity ? Ny Banky Foibe no mitahiry ny vola eto amintsika, saropady izy io ary tena mila fitandremana ny fitantanana azy.
Ara-tantara, dia nisinisy ihany ny vola nalain'ny mpitondra tao amin'ny Banky Foibe. Nandritra ity fitondrana tetezamita ity manokana dia nitokona ny mpiasa tao ka nilaza ny fandikan-dalana ataon'ny mpitondra tetezamita sy ny fijabahany be loatra amin'ny raharahan'ny Banky Foiben'i Madagasikara. Tsy misy olom-boafidy na dia iray aza anatin'ny tetezamita, kanefa dia tsy misalasala mandray fanapahan-kevitra goavana tahaka izao ny filankevitry ny minisitra, ary manaiky ny hametraka olom-boatendry, mandritra ny tetezamita ihany ao amin'ny fitantanana ny Banky Foiben'i Madagasikara. Ny resaka mivoaka etsy sy eroa no nandrenesana fa misy zavatra tsy milamina ao amin'ny Banky Foibe ao, koa mety izay angamba no mahamaika ny mpitondra tetezamita hametraka ny olony mba hanakona izay mbola azo takonana aloha !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.