Nihaona tamin’ny Masoivohon’ny Frantsa Christophe Bouchard ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena,
Christine Razanamahasoa omaly tetsy amin’ny Lapan’i Tsimbazaza. Nomarihina nandritra ny dinika nifanaovan’izy ireo ny fanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta raha nangingina izany noho ny valanaretina. Maro tokoa ireo voka-dratsy naterak’izany valanaretina izany koa izany indrindra no tokony hamerenana indray ireo tetikasa sosialy sy ara-toekarena. Eo ihany koa ny ezaka mba tsy hiverenan’ny fihibohana indray, nanambara noho izany ny masoivoho fa vonona hatrany ny hiara-miasa amin’ny Firenena Malagasy. Tsy nisy intsony izany ny resaka momba ny nosy manodidina na Iles Eparses? Marihana fa nitisipaka marindrano ny fikasan`I Frantsa hametraka tahirin-javaboahary ao amin` ny nosy sambatra, iray amin` ireo nosy kely efatra manodidina an`I Madagasikara ireo solombavambahoaka, tao anatin` ny fanambarana nataon`izy ireo ny 20 may lasa teo. Sokajian` ireo depitoe ho zava-dehibe ny famerenana an` ireo nosy kely amin`ny Malagasy. “Tsy misy fahaleovantena marina raha mbola giazana tahaka izao ny tanintsika” hoy hatrany ity filohan` ny Antenimieram-pirenena ity. Tsy fantatra mihintsy hatreto hoe rahoviana indray vao mety hitohy ny fifampidinihana eo anivon` ilay vaomiera iraisana satria na ity krizy ara-pahasalamana iraisam-pirenena ity aza tsy misy mahafantatra ny fotoana hiafarany. Ny azo antoka aloha dia tsy mbola ao anatin’ny fotoana fohy izany fa mety afaka volana maromaro mihitsy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.