Politique

Nosy Manodidina “Fifampiresahana ihany no ahitana vahaolana iombonana”


  • Alarobia 15 Jolay 2020

Mbola resabe eo anivon` ny fiarahamonina sy eo anivon` izao tontolo izao ny resaka Nosy Manodidina.

 

 

 Nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena frantsay tetsy Ivandry dia nanamafy ny masoivoho frantsay, Christophe Bouchard, fa Frantsa dia vonona hatrany hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin` ny firenena roa tonta mba hahafahana miaraka miatrika ireo fanambin` ny taonjato faha-21. “Hiverina hiha mafy ny fifandraisantsika rehefa milamina ny fahamehana ara-pahasalamana. Rehefa misokatra koa ny sisin-tany dia afaka mamerina amin` ny laoniny ireo tetikasa sy fifandraisana ao anatin` ny fifampitosikana”. Marihana fa tokony nialohan’ny datin’ny 26 jona teo no nivoahan’ny fehin-kevitra lehibe mahakasika ireo nosy malagasy ireo fa noho ny krizy ara-pahasalamana misy eran’izao tontolo izao dia tsy tanteraka izany. Ny volana martsa lasa teo mantsy no tokony nitohy tany Paris ny fifampiresahana eo anivon’ilay vaomiera iombonana iarahan’ny delagasionina avy amin’ny fanjakana frantsay sy malagasy, saingy nahemotra amin’ny fotoana tsy mbola fantatra. Ny volana jona lasa teo ihany koa dia nanomboka ny fanohanan’ireo vondrona iraisam-pirenena ny Fanjakana malagasy amin’ny fitakiana ireo Nosy Manodidina na ny îles Eparses tamin’ny alàlan’ny “video conférence” ny filankevitry ny minisitry eo anivon’ny CMO (Organe de Coopération en matière de politique, défense et de sécurité) ao amin’ny vondrona SADC. Raha tsiahivina dia tafiditra tao anatin’ny lahadiniky ny filankevitry ny minisitry eo anivon’ny CMO ao amin’ny SADC ny raharaha mahakasika ireto nosy kely malagasy ireto mbola bodoan’i Frantsa ireto dia satria nisy ny fampitan-teny na “note verbale” nalefan’ny ministeran’ny raharaham-bahiny malagasy any amin’io vondrona iraisam-pirenena io. Fampitan-teny izay mitsipaka ny fikàsan’ny governemanta frantsay hanangana “réserve naturelle nationale” ao amin’ny Nosy Sambatra na Îles Glorieuse. Manoloana izany rehetra izany moa dia mamporisika vahaolana iombonana amin` ny alalan` ny fifampiresahana momba ny Iles Eparses ny masoivoho frantsay, Christophe Bouchard.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT