Politique

Nosy Eparsa Mitaky ny azy koa ny Kaomorianina sy Maorisianina


  • Alarobia 19 Jona 2019

Teo ny fitakiana nataon’ny antoko politika frantsay RN, tarihin’ny filohany, Marine Le Pen, fa amin’izao fotoana koa dia fantatra, araka ny loharanom-baovao iray,

 

 fa tsy ny frantsay irery no sarotiny amin’ny hanomezana amin’izay ireo nosy Malagasy miisa 5 fa ry zareo maorisianina sy kaomorianina koa. Midongy haka ny nosy kely Tromelin ny Maorisianina ary i Glorieuse ny Kaomorianina. Anisan’ny hitakian’ny frantsay ireto nosy ireto moa ny fahafahany mahazo velaran-dranomasina misy harena hatrany amin’ny 640.000 km2 manodidina ireo nosy kely miisa 5. Io ilay antsoiny hoe “Zone économique exclusive”, izany hoe tokony ho azy ireo irery na ZEE. Ny lakandranon’i Mozambika rahateo efa fantatra ny loharanon-karena an-dranomasina ary ny frantsay dia te hatanjaka amin’iny lafiny iny. Mbola ho sarotra, araka izany, ny ady ho an’i Madagasikara.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT