Politique

Nosy Be Naiditra am-ponja i Ninie Donia


  • Zoma 17 Jona 2022

Mafampana ny toe-draharaha ao Nosy Be. Naiditra am-ponja vonjimaika i Ninie Donia fantatry ny maro amin’ny maha mpisehatra ara-politika ankoatra ny maha mpanakanto mpanjakavavin’ny salegy azy.

Resaka ady tany no hanenjehana azy, ary tsy izy irery fa miisa 14 izy ireo no nidoboka am-ponja raha ny vaovao azo omaly. Raharaha efa tany amin’ny taona 2021 ity mitohy ity indray satria ny volana desambra tamin’ny taon-dasa, dia efa nisy ny fisamborana azy, saingy nitsangana ny vahoaka ka navotsotra izy. Resaka fakan'ny vahiny sy ireo mpanam-bola ny tany no voalaza fa antony nijoroany. Niaro ireo Malagasy voalaza fa voaroba tany. Nenjehana ho mizara ny tanin'ny Sirama amin'ny Vahoaka anefa izy. Nisy raharaham-pitsarana efa mandeha moa, fa io nisy sakoroka tamin’ny desambra io niatoato, kanefa nifoha indray. Tsara ny mampahatsiahy fa Kandidan’ny Antoko TIM tamin’ny fifidianana depiote farany teo Ninie Donia, mpitarika ny RMDM any an-toerana,… Ny volana aprily teo, nisy ny famelo-maso na “redynamisation” an’ny Antoko TIM tany Diego izay notarihin-dry Ninie Donia, saingy somary nohetraketrahina ihany. Nampanantsoina tany amin’ny Biraon’ny mpitandro filaminana izy sy ny namany avy eo. Mihevitra noho izany ireo mpiara-dia amin’ity mpanakanto sady mpanao politika ity fa misy ambadika sy hetraketraka politika ny fanenjehana azy. Andrasana ny tohiny sy ny fivoahany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT